Hankany amin'ny vontoatiny

Vinca

Avy amin'i Wikipedia
Vinca difformis

Ny Vinca dia antokon-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae izay maniry mihoatra ny roa taona atỳ amin' ny Tontolo Taloha. Zavamaniry manana ravina mitso lalandava sy maharitra ny karazana ao amin' ity antoko ity. Miavaka noho ny fananany vony miseho amin' ny lohataona, mazàna manga ireo karazana ireo, na dia misy koa ny manana loko hafa novolavolain' ny mpamboly voninkazo. Ambolena ny karazana sasany nefa niparitaka ka lasa zavamaniry manafika. Ankoatra izay dia ampiasaina amin' ny fitsaboana ny karazana sasany. Ny Vinca minor no karazana malaza indrindra. Teratany any Eorôpa sy any Afrika Avaratra-Andrefana ary any Azia Atsimo-Andrefana ity antoko ity.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Vinca major

Inty ny lisitry ny karazana araka ny World Checklist of Selected Plant Families (tamin' ny 17 Mey 2014).

  • Vinca difformis Pourr.
  • Vinca erecta Regel & Schmalh.
  • Vinca herbacea Waldst. & Kit.
  • Vinca ispartensis Koyuncu & Ekşi
  • Vinca major L. -- vonenimbazaha
  • Vinca minor L. -- vonenimbazaha
  • Vinca soneri Koyuncu

Ny Vinca major, izay atao hoe "vonenimbazaha", no misy eto Madagasikara nefa tsy teratany eto. Nandramana novolena eto koa ny Vinca minor, izay atao hoe "vonenimbazaha", nefa tsy tena nety. Nesorina tsy ho anisan' ny Vinca ny karazana ao amin' ny Catharanthus (toy ny Catharanthus roseus, izay nantsoina hoe Vinca rosa tany aloha).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]