Hankany amin'ny vontoatiny

Vihim-boa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vihin-javamaniry)
Vihin-javamaniry isan-karazany

Ny vihim-boa, vihy, voa, voakely na voananatiny, ao amin' ny tsingerim-piainan' ny zavamaniry Spermatophyta, dia rafitra mitahiry sy miaro ny tsimoky ny zavamaniry. Matetika izy io no voarakitra ao anaty voan-javamaniry izay ahafahany miparitaka.

Ny vihy àry dia ahafahan' ny zavamaniry miala amin' ny toe-javatra ao amin' ny tontolo izay lasa tsy azo ianana, amin' ny fanalavirana na amin' ny fiandrasana ny fiverenan' ny toe-javatra tsara.

Voan-dojy (lojy) telo karazana famboly

Avy amin' ny fiovan' ny tsirivavy voatsaika ny vihim-boa. Vokatr' izany dia misy ampahany avy amin' ny spôrôfitan' ny reny (fonon' ilay vihy), ny gametôfita (ny tambaselan-tahirin' ny vihy) ary ny spôrôfitan' ny taranaka manaraka, dia ny tsimoka izany.

Manana andraikitra amin' ny fiarovana ny zavamaniry vaovao izy noho ny fonony mihamafy, ary miantoka ny sakafo noho ny tahirin-javatra mahavelona ao aminy. Raha ny marina dia manana toetra manangona tahiry natao ho an' ny fivoarana ho avin' ny tsimoka ny vihy. Izy ireo àry no loharanon-tsakafo tadiavin' ny biby mpihinana vihin-javamaniry (vorona, biby mpikiky, sns).

Lasa anisan' ny sakafon' ny olombelona ny vihim-boa, ​​ary sakafo fototra ao amin' ny kolontsaina maro, hatramin' ny namoronana ny fambolena: voamadinika, voamaina, sns. Anisan' ny atao hoe ambioka na masomboly ny vihy voafantina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]