Viela misy kodia
Fiseho

Ny viela misy kodia dia zavamaneno misy tadiny, kasohina amin' ny kodia hazo fa tsy amin' ny tsipìka (tsy toy ny lokanga). Ny kodia dia hetsehina amin' ny alalan' ny fanodinana izay hetsehin' ny tanana havanana, fa ny tanana ankavian' ny mpitendry mozika kosa no milalao ny feon-kira amin' ny andalan-kitendry.