Hankany amin'ny vontoatiny

Viôlinina

Avy amin'i Wikipedia
Viôlinina

Ny viôlinina dia zavamaneno misy tadiny ampanenoina amin' ny fikasohana. Vita amin' ny tapa-kazo miisa 71 sy amin' ny karazan-kazo maro, napetaka tamin' ny dity na natambatra ity zavamaneno ity. Ny viôlinina dia manana tady efatra amin' ny ankapobeny, izay henjanina ho marina amin' ny elanelana fahadimy, izay ampanenoin' ny mpitendry zavamaneno amin' ny alalan' ny fitaovana miendrika tsipìka (fikasohana) na amin' ny alalan' ny fanondro na ankihibe (izany no atao hoe pizzicato).

Ao amin' ny mozika klasika toy ny valiha efatra (anglisy: quartet string; frantsay: quatuor à cordes) na ôrkestra sinfônika, ny viôlinina no zavamaneno kely indrindra sy avo feo indrindra ao amin' ny fianakaviany; anisan' ireo zavamaneno efatra ireo ny viôla na altô, ny viôlônsela ary ny kôntrabeso.

Efa tamin' ny taonjato faha-16 no namoronana ny viôlinina. Tena haingana be ny nampalaza azy, ka mitana toerana misongadina ao amin' ny mozika klasika tandrefana izy io: nanoratra ho an' ity zavamaneno ity ny mpamoron-kira malaza maro (concerto, mozikan' efitrano, sanganasa ho an' ny sinfônia, sns.) ary nilalao azy mihitsy aza (Vivaldi, Bach, Mozart, sns.). Nahazo laza lehibe ny mpitendry viôlinina sy mpamoron-kira tamin' ny taonjato faha-18, toa an' i Niccolò Paganini, i Eugène Ysaÿe ary i Johan Sibelius tamin' ny taonjato faha-20.