Viôla

Ny viôla na altô dia zavamaneno misy tadiny kasohina, toy ny lokanga, manana feo ambany kokoa sy lehibe kokoa ary matevina kokoa noho ny viôlinina, nefa avo feo kokoa sy kely kokoa ary manify kokoa noho ny viôlônselô. Manana tadiny efatra izy io (C na dô, G na sôl , D na re ary A na la), ny fahatetehan' ny feony dia manomboka amin' ny 128 Hz ka hatramin' ny 2 600 Hz.
Azo inoana fa avy amin' ilay zavamaneno atao hoe rebeka, izay niseho tamin' ny taonjato faha-16 tany Italia ny viôla na altô, izay naka ny endriny môderina izay niha tsy niova tamin' ny taonjato faha-19. Efa ela no noheverina ho zavamaneno fampiasa amin' ny fanaraham-peo, amin' ny ôrkestra sy anaty efitrano, hatramin' ny taonjato faha-20 ny viôla, rehefa nitombo be ny fampiasana azy ho zavamaneno sôlista.