Hankany amin'ny vontoatiny

Vernonia noveboracensis

Avy amin'i Wikipedia
Vernonia noveboracensis

Ny Vernonia noveboracensis dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny vondron-karazana Vernonia, ao amin' ny fianakaviana Asteraceae, teratany any Amerika Avaratra, any amn' ny ilany atsinanan' i Etazonia, avy any Florida ka hatrany Massachusetts ary any andrefana hatrany Tennessee, Alabama, West Virginia ary any amin' ny ilany atsimo amin' i Ontario.

Faritra anirian' ny Vernonia noveboracensis

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny dihidrômikanôlide dia laktônina seskiterpenina hita ao amin' ny Vernonia noveboracensis izay tsara hitsaboana amin' ny aretina vokatry ny bakteria sy ny katsentsitra ary virosy sns. Ny Amerindianina dia mampiasa ny ravin' ny Vernonia noveboracensis mba hanaovana tambavy izay manamaivana ny fanaintainan' ny fiterahana sady ampiasaina hanadio sy hampatanjaka ny ra. Atao tambavy koa ny fakan' io zavamaniry io mba hanala ny fanaintainan' ny vavonin' ny vavony sy ny fanaintainan' ny nify.

Vernonia noveboracensis

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]