Velloziaceae
Fiseho

Ny Velloziaceae dia fianakavian-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ahitana karazana 270 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 7. Hazo na hazobotry na zavamaniry ahitra, mahatanty toerana maina ny karazana ao aminy, izay hita any amin' ny faritra mafana any Amerika Atsimo, ao Afrika, eto Madagasikara ary any Arabia. Mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Pandanales ny fanasokajiana filôjenetika ankehitriny.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Ahitana vondron-karazana 7 ny fianakaviana Velloziaceae. Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (15 Avrily 2010):
- Acanthochlamys P.C.Kao (1980)
- Barbacenia Vand. (1796)
- Barbaceniopsis L.B.Sm. (1962)
- Nanuza L.B.Sm. & Ayensu (1976)
- Talbotia Balf. (1868)
- Vellozia Vand. (1788)
- Xerophyta Juss. (1789)