Hankany amin'ny vontoatiny

Vazan-tany

Avy amin'i Wikipedia

Ny vazan-tany dia teboka na faritra efatra eny amin' ny faravodilanitra izay natao hamantarana ny zotra tokony harahina na hitodihana, dia ny avaratra, ny atsimo ny atsinanana ary ny andrefana.

Ny teny ilazana ny vazan-tany ampiasaina ho anarana na ho mpamari-toetra, dia soratana manomboka amin' ny sora-baventy rehefa tafiditra ao anatin' ny anaran-tsamirery milaza toerana na manondro faritra ara-jeôgrafia, fa manomboka amin' ny sora-madinika raha manondro zotra na todika.

Ny fizaràna ny faravodilanitra mihoatra ny efatra no atao hoe lafin-tany, izay hafohezina amin' ny hoe "lafy" ao amin' ny andian-teny toy ny hoe "lafy valo".

Ny faritra iposahan' ny masoandro no atsinanana ary ny faritra ilentehany no andrefana. Raha mitodika miantsinana dia any ankavia no misy ny avaratra fa any ankavanana no misy ny atsimo. Aty amin' ny ila-bolantany atsimo dia ny faritra tandrify ny masoandro mitataovovonana no avaratra, fa raha any amin' ny ila-bolantany avaratra kosa dia ny faritra manandrify ny masoandro mitatavovonana no atsimo. Misy fomba hafa koa ahafahana mamantatra ny vazan-tany, dia ny fijerena ny kintana sy ny antokon-kintana. Ny tondroavaratra no fitaovana ampiasaina mba hamantarana ny vazan-tany.

Mahazatra ny Malagasy ny miresaka ny hoe lafy valo, ao amin' ny fitenenanana hoe "lafy valon' ny Nosy", na dia azo zaraina mihoatra izany aza ny faravodilanitra. Ny lafin-tany heverina dia ireto: avaratra, avaratra-atsinanana, atsinanana, atsimo-atsinanana, atsimo, atsimo-andefana, andrefana, avaratra-andrefana. Mbola azo zaraina enina ambin' ny folo ny faravodilanitra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]