Vavahady
Fiseho
Ny vavahady dia ny fidirana ao amin' ny tanàna na toeram-ponenana misy fefy (tamboho, manda, sns), izany hoe varavarana lehibe kokoa noho ny mahazatra.
Vavahady teo amin'ny Ntaolo malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny teny hoe "vavahady" dia avy amn' ny hoe "vava" sy "hady". Tamin' ny fandaminan-tanàna malagasy nentim-paharazana, ny vavahasy dia "rafi-bato na hazo atao fidirana ao amin' ny tanàna na sahan' olona iray", "avan' ny hadivory nanodidina ny vohitra fahiny ka natao fidirana sy fivoahana tao"[1][2].
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Aza manao kabary ambony vavahady.
- Mandrara-boanjo am-bavahady.
- Ny varavarana anton' ny trano, ny vavahady anton' ny vohitra ary ny kiady anton' ny saha.
- Vavahady no soa maro miditra, fantsakana no soa maro maka, fa ny lalam-bady tsy roa maro manana.