Aller au contenu

Vatolampin' i Gibraltara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vatolampin'i Gibraltara)
Vatolampin' i Gibraltar

Ny Vatolampin' i Gibraltara dia vongan-bato sokay mônôlitika (mitohy) hita ao amin' ny tanin' i Gibraltar britanika, akaikin' ny tendrony atsimo-andrefan' i Eorôpa ao amin' ny Saikinosy Iberiana, ary eo akaikin' ny fidirana ao amin' ny Ranomasina Mediteranea. 426 m ny haavony. Avy amin' ny anarana arabo hoe طارق / Jabel-al-Tariq, izay midika hoe "Tendrombohitr' i Tariq", io anarana io.