Aller au contenu

Vato ao amin' ny voa

Avy amin'i Wikipedia
Vatokely ahitana ôksalata-na kalsiôma dihidrate (CaC₂O₄·2H₂O).

Ny vato ao amin' ny voa dia aretina vokatry ny fiforonan' ny vato, izany hoe ny fivainganana mamorona kristaly, avy amin' ny mineraly levona ao amin' ny amany ao amin' ny lalan' amany: ao amin' ny lavaky ny voa sy ao amin' ny fantson' amany ambony ary ao amin' ny tatavia.

Mitovy amin' ny voam-pasika ka hatramin' ny haben' ny baolina gôlfa (mety mihoatra ny 4 sm) ny haben' ny vato. Mamolavola ny ao anatin' ny voa ny lehibe indrindra izay miendrika sampana vatohara. Matetika ilay vato dia avoakan' ny amany.

Faritra manaintaina vokatry ny fisian' ny vato ao amin' ny voa

Raha mitombo amin' ny habeny somary lehibe izy ireo (milimetatra vitsivitsy), dia miteraka fahatsentseman' ny fantson' amany ambony sy fanitaran' ny amany ny lavaky ny voa. Mety hiteraka fanaintainana mahery vaika izany, amin' ny ankapobeny eo amin' ny takiba (anelanelan' ny maoja sy ny taolan-tehezana) sy eo amin' ny tapany ambany amin' ny kibo.

Misy ny vato sasany izay tsy mbola fantatra tsara ny antony mahatonga azy.