Vatana (amin' ny zavamaniry)

Ny vatana, izay fantatra kokoa amin' ny hoe vatan-kazo, dia ampahany lehibe indrindra amin' ny hazo na hazobotry, izay matetika mijoro mahitsy sady tsy misy sampana amin' ny ampahany lehibe amin' ny haavony, ary hita eo anelanelan' ny faka sy ny laha-kazo aman-dravin' ilay zavamaniry (izay tohanan' ny sampana lehibe). Mizara roa ny vatan-kazo: ny nofony (izay atao hoe nofon-kazo na hazo) eo afovoany sy ny hodiny eo ivelany. Manatanteraka asa mitovy amin' ny an' ny sampana ny vatan-kazo, saingy izy no mampifandray ireo sampana ireo amin' ny faka.
Mihamaty hoazy tsikelikely ny sampana ambany amin' ny vatan-kazo, manomboka eo ambany. Na izany aza, amin' ny karazana hazo maro, aorian' ny fihariharan' ny fakany tampoka amin' ny hazavana (amin' ny hazo naongan' ny rivotra na ny korian-drano), na vokatry ny fadrandratsanana amin' ny ampahany na manontolo ny hazo, dia mety hanentana indray ny sela mpamokatra sampana (meristema) eo amin' ny hodi-kazo, ka mahatonga ilay vatan-kazo hamoaka sampana vaovao manodidina ny vatan-kazo. Mipoitra ihany koa ny sapana vaovao rehefa misy sisin' ala miforona (ohatra, sisin' ala amoron-dalana na amoron' ny lakandrano sns) ho an' ny vatan-kazo sisa eo amin' io sisin' ala io. Ireo sampana vaovao ireo dia mety hanimba ny kalitaon' ny hazo amin'ny alalan' ny fiforonan' ny tonona vaovao manodidina ny hazo, na koa mety tsy hampifandanja ny hazo rehefa mandeha ny fotoana.