Vanilla

Ny Vanilla dia vondron-karazana zavamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Orchidaceae, zana-pianakaviana Vanilloideae, ao amin' ny filaharana Orchidales na Asparagales, teratany amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly, izay ahitana karazana maherin' ny zato.
Zavamaniry ahitra mianika izy ireo, tsy misy zorony sy somary tsy dia misampana firy ny rahony, mamoaka faka an-drivotra eny amin' ny tonony, ary mety hahatratra metatra maromaro ny halavany. Maharitra, lehibe, indraindray lasa kirany fotsiny, be nofo, ary misy tangozany fohy ny ravin' izy ireo. Lava, varingarina, be nofony, matetika tsy misokatra na dia matoy, ary tena manitra ny voany, indraindray antsoina koa hoe "pepa". Karazana telo no ambolena mba hamokarana voany azo amidy (atao hoe "vanila" na "lavanila" ihany koa): ny Vanilla planifolia aloha, fa eo koa ny Vanilla tahitensis sy ny Vanilla pompona.

Raha maniry hoazy izy ireo, ny famindrana vovobony voajanahary ao amin' ny karazana ao amin' ny Vanilla dia sahanin' ny tantely amerikana tsy misy fanindronana ao amin' ny foko Euglossini sy ao amin' ny foko Meliponini. Noho izany dia tsy maintsy atao amin' ny tanana ny fampitsaihana ireo ôrkide ireo rehefa ambolena any amin' ny faritra hafa (Madagasikara, La Réunion, Pôlinezia, sns) .
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]


Maro karazana (zato mahery) ny lavanila nefa ilay karazana manana ravina miloko manopy maitso, atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Vanilla planifolia, no mamokatra ilay voa ampiasaina hahamanitra ny sakafo. Inty ny lisitry ny karazana araka ny The Plant List (17 Marsa 2019):
- Vanilla abundiflora J.J.Sm.
- Vanilla acuminata Rolfe
- Vanilla africana Lindl.
- Vanilla albida Blume
- Vanilla andamanica Rolfe
- Vanilla angustipetala Schltr.
- Vanilla annamica Gagnep.
- Vanilla aphylla Blume
- Vanilla appendiculata Rolfe
- Vanilla bahiana Hoehne
- Vanilla barbellata Rchb.f.
- Vanilla bertoniensis Bertoni
- Vanilla bicolor Lindl.
- Vanilla borneensis Rolfe
- Vanilla bradei Schltr. ex Mansf.
- Vanilla calopogon Rchb.f.
- Vanilla calyculata Schltr.
- Vanilla chalotii Finet
- Vanilla chamissonis Klotzsch
- Vanilla claviculata Sw.
- Vanilla columbiana Rolfe
- Vanilla costaricensis Soto Arenas
- Vanilla coursii H.Perrier
- Vanilla crenulata Rolfe
- Vanilla cribbiana Soto Arenas
- Vanilla cristagalli Hoehne
- Vanilla cucullata Kraenzl. ex J.Braun & K.Schum.
- Vanilla decaryana H.Perrier
- Vanilla diabolica P.O'Byrne
- Vanilla dietschiana Edwall
- Vanilla dilloniana Correll
- Vanilla dressleri Soto Arenas
- Vanilla dubia Hoehne
- Vanilla dungsii Pabst
- Vanilla edwallii Hoehne
- Vanilla espondae Soto Arenas
- Vanilla fimbriata Rolfe
- Vanilla francoisii H.Perrier
- Vanilla gardneri Rolfe
- Vanilla giulianettii F.M.Bailey
- Vanilla grandifolia Lindl.
- Vanilla griffithii Rchb.f.
- Vanilla guianensis Splitg.
- Vanilla hallei Szlach. & Olszewski
- Vanilla hamata Klotzsch
- Vanilla hartii Rolfe
- Vanilla havilandii Rolfe
- Vanilla helleri A.D.Hawkes
- Vanilla heterolopha Summerh.
- Vanilla hostmannii Rolfe
- Vanilla humblotii Rchb.f.
- Vanilla imperialis Kraenzl.
- Vanilla inodora Schiede
- Vanilla insignis Ames
- Vanilla kaniensis Schltr.
- Vanilla kempteriana Schltr.
- Vanilla kinabaluensis Carr
- Vanilla madagascariensis Rolfe
- Vanilla martinezii Soto Arenas
- Vanilla methonica Rchb.f. & Warsz.
- Vanilla mexicana Mill.
- Vanilla montana Ridl.
- Vanilla moonii Thwaites
- Vanilla nigerica Rendle
- Vanilla ochyrae Szlach. & Olszewski
- Vanilla odorata C.Presl
- Vanilla organensis Rolfe
- Vanilla oroana Dodson
- Vanilla ovalis Blanco
- Vanilla ovata Rolfe
- Vanilla palembanica Teijsm. & Binn.
- Vanilla palmarum (Salzm. ex Lindl.) Lindl.
- Vanilla parvifolia Barb.Rodr.
- Vanilla penicillata Garay & Dunst.
- Vanilla perrieri Schltr.
- Vanilla phaeantha Rchb.f.
- Vanilla phalaenopsis Rchb.f. ex Van Houtte
- Vanilla planifolia Jacks. ex Andrews
- Vanilla platyphylla Schltr.
- Vanilla poitaei Rchb.f.
- Vanilla polylepis Summerh.
- Vanilla pompona Schiede
- Vanilla ramificans J.J.Sm.
- Vanilla ramosa Rolfe
- Vanilla ribeiroi Hoehne
- Vanilla roscheri Rchb.f.
- Vanilla ruiziana Klotzsch
- Vanilla sanjappae Rasingam, R.P.Pandey, J.J.Wood & S.K.Srivast.
- Vanilla sarapiquensis Soto Arenas
- Vanilla savannarum Britton
- Vanilla schwackeana Hoehne
- Vanilla seranica J.J.Sm.
- Vanilla seretii De Wild.
- Vanilla siamensis Rolfe ex Downie
- Vanilla somae Hayata
- Vanilla sprucei Rolfe
- Vanilla sumatrana J.J.Sm.
- Vanilla tahitensis J.W. Moore
- Vanilla trigonocarpa Hoehne
- Vanilla utteridgei J.J.Wood
- Vanilla vellozoi Rolfe
- Vanilla walkeriae Wight
- Vanilla wariensis Schltr.
- Vanilla wightii Lindl. ex Wight
- Vanilla yersiniana Guillaumin & Sigaldi
- Vanilla zanzibarica Rolfe
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]
Ny fanadihadiana momba ny bôtanika vao haingana, indrindra ny nataon' ny Oniversiten' Antananarivo sy ny Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement (CIRAD), dia milaza fa ny vondron-karazana Vanilla, izay ahitana karazana karazany 126 eo ho eo eran' izao tontolo izao, dia ahitana karazana manodidina ny 10 ny eto Madagasikara, miampy ny karazana nampidirina avy any ivelany:
- Vanilla allorgii Andriamihaja, Grisoni, Pailler & Besse: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla atsinananensis C.F.Andriam. & Pailler: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla bosseri Guillaumin: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla coursii H.Perrier: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla decaryana H.Perrier: vaitranamalona (tsy hita afa-tsy eto Madagasikara)
- Vanilla francoisii H.Perrier: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla humblotii Rchb.f.: teratany eto Madagasikara nefa hita koa ao Kômôro
- Vanilla madagascariensis Rolfe: amalo, vahinamalo (tsy hita afa-tsy eto Madagasikara)
- Vanilla montagnacii Gagnep.: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla perrieri Schltr.: tsy hita afa-tsy eto Madagasikara
- Vanilla roscheri Rchb.f.: teratany eto Madagasikara nefa hita koa ao Afrika Atsinanana
Ireto manaraka ireto dia nampidirina eto Madagasikara:
- Vanilla planifolia Jacks. ex Andrews: vanila (tsy maniry hoazy fa ambolena betsaka, atao hoe koa Vanilla fragrans (Salisb.) Ames)
- Vanilla pompona (Lam.) Schiede: vanila (tsy maniry hoazy nefa misy mamboly)