Hankany amin'ny vontoatiny

Vanila (zavamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Vanila

Ny vanila na lavanila dia fifinto na zava-manitra fanao amin' ny sakafo izay azo avy amin' ny karazana ôrkidea sasany maniry toy ny vahy amin' ny faritra mafana sy manorana, avy any Amerika Afovoany, ao amin' ny vondron-karazana Vanilla, ka ny Vanilla planifolia no tena fantatra amin' izany. Ny teny nohagasina hoe vanila dia avy amin' ny fiteny espaniôla hoe vainilla.

Ny fitombon' ny vanila

[hanova | hanova ny fango]
Foto-banila mandady amin' ny hazo

Ny karazana vanila fioty dia ny Vanilla planifolia. Avy tany Mekisika no niaviany kanefa dia hita manerana toerana mafana rehetra (trôpika). Madagasikara no firenena voalohany amaneran-tany mpamokatra azy. Ny voan' ny vanila dia ilay toa tsaramaso maintso.

Ny tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Espaniôla no nitondra ny vanila avy any Mekisiko tamin' ny fotoanan' ny fitetezan-tany any Amerika. Ny orinasa Coca-Cola no tena mpividy azy hatramin' ny taona 1985. Nanomboka tamin' ny 1985 dia nampiasa vanilinina (mitovy tsiro amin' ny vanila kanefa dia vita simika) ny orinasa Coca-Cola ka tsy nila vanila intsony ka nahatonga ny fitontongan' ny toekaren' i Madagasikara. Lasa 20 $ amerikana ny vidin' ny iray kilao tamin' izany fotoana izany. Nitentina 500 $ izy tamin' ny taona 2004. Nidina indray izany tamin' ny 2005.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]