Valan-javaboarin' ny Helodranon' i Baly

Avy amin'i Wikipedia
Sokatra angonoka

Ny Valan-javaboarin' ny Helodranon' i Baly dia valan-javaboary any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara izay noforonina tamin' ny taona 1997. Mifameno ao ny vondron-jamananaina roa samy hafa: ny an-tanety andaniny sy ny an-dranomasina sy amorontsiraka ankilany. Ny helodranon' i Baly no hany fonenan' ny sokatra tsy manam-paharoa atao hoe angonoka, sokatra tsy miala amin' ny sisin-tanin' i Soalala, antsoina koa hoe Astrochelys yniphora, sokatra tsy fahita firy any amin' ny toeram-ponenany voajanahary, dia ny kirihitra ahitana Perrierbambos madagascariensis, izay tsy misy afa-tsy ao Soalala ihany koa. Ny farihy sy ny heniheny miparitaka etsy sy eroa ao amin' io valan-javaboary io dia miaro ny vorondrano lehibe mpifindra monina izay miaina anaty andiana sy ny sokatra an-dranomamy voasokajy ho "tandindomin-doza" toy ny Erymnochelys madagascariensis. Tamin' ny faramparan' ny volana Septembra 2022 dia may Ilay valan-javaboary ka betsaka ny biby maty tao.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Any amin' ny Faritra Boeny, 150 km miala an' i Mahajanga no misy ilay valan-javaboary. Ny kaominina manaraka dia i Soalala sy Ambohipaky. Ny sisiny atsimo dia ny renirano Kapiloza.

Ny biby sy ny zavamaniry[hanova | hanova ny fango]

Ny angonoka na Astrochelys yniphora no biby famantarana indrindra ao amin' ny Helodranon' i Baly, satria tsy misy afa-tsy amin' io faritra io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary

Valan-javaboarin' Andasibe-MantadiaValan-javaboarin' AndohahelaValan-javaboarin' AndringitraValan-javaboarin' AnkarafantsikaValan-javaboarin' ny Helodranon' i BalyValan-javaboarin' IsaloValan-javaboarin'i Kirindy MiteaValan-javaboarin'i Mananara-AvaratraValan-javaboarin'i MarojejyValan-javaboarin' i MasoalaValan-javaboarin'i Midongy AtsimoValan-javaboarin'ny Tendrombohitra AmbreValan-javaboarin'i NamorokaValan-javaboarin'i Nosy Ve-AndrokaValan-javaboarin'i RanomafanaValan-javaboarin'i TsimanampetsotseValan-javaboarin'i Tsingin'i BemarahaValan-javaboarin'i ZahamenaValan-javaboarin'i Zombitse-Vohibasia

Samihafa