Valan-javaboarim-pirenena Nosy tanikely

Ny Valan-javaboary Nosy Tanikely dia valan-javaboary any amin'ny nosy morontsiraka avaratra andrefan'i Madagasikara, ao amin'ny faritr'i Nosy Be. Izy io dia toeram-pitsidihana antsitrika malaza noho ny fahadiovan’ny ranomasina. Manana velarana mirefy 700 metatra manodidina ny farihin-jiro ao amin’ny nosy Tanikely ny faritra voaaro.
Voarara tanteraka ny jono ao anatin’ny faritra manodidina ny 200 hektara ao amin’ny valan-javaboary. Momba ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana ny haran-dranomasina, dia napetraka toeram-pijerena telo: toerana iray tsy mbola nisy fahasimban’ny haran-dranomasina, toerana iray ho an’ny faritra fandroana, ary toerana iray afovoany.
Velaran-tany sy sokajy
[hanova | hanova ny fango]
Ny Valan-javaboary Nosy Tanikely dia nosy kely manana velarana 3,41 km², izay manazava ny anarany hoe Nosy Tanikely izay midika hoe “nosin’ny tany kely”. Antsoina hoe koa Nosy Tanihely izy satria izay no fiantsoana azy any amin'ny faritra avaratry ny nosy misy azy. Nahazo ny didim-panjakana famoronana ofisialy ny Valan-javaboary Nosy Tanikely tamin’ny 6 septambra 2011[1].
Toerana misy azy
[hanova | hanova ny fango]Ny Valan-javaboary an-dranomasina Nosy Tanikely dia hita eo amin’ny 10 kilometatra atsimo atsinanan’Ambatoloaka, eo anelanelan’i Nosy Be sy Nosy Komba, amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’i Madagasikara[2]. Tafiditra ao anatin’ny Valan-javaboary Nosy Tanikely ny nosy sy ny ranomasina manodidina azy. Voarara tanteraka ny maka biby ao amin’ny nosy, indrindra indrindra ny tanalahy (kameleon)[1].
Toetrandro
[hanova | hanova ny fango]Ny Nosy Tanikely dia manana toetrandro tropikaly, izay miavaka amin’ny hafanana ambony sy hamandoana avo mandritra ny taona manontolo. Matetika ny mari-pana dia miova eo anelanelan’ny 21 °C sy 31 °C, ary ny mari-pana salan’isa dia manodidina ny 26 °C[3]. Ity toetrandro ity no miteraka fepetra mafana sy mando mandritra ny taona. Ny tampon’ny nosy dia mahatratra 40 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina, izay mahatonga azy ho teboka avo indrindra ao amin’ilay faritra [4].
Biodiversité
[hanova | hanova ny fango]Ny Valan-javaboary Nosy Tanikely dia antsoina hoe akoraim-pahasoavana voajanaharyna aquarium naturel [5], noho ny lagôna mangina sy mangarahara ananany [6]. Ny rafi-piainana an-dranomasina amin’ny haran-dranomasina dia fonenan’ny harena an-dranomasina isan-karazany, ahitana koraly scléractiniaires, anemona mifampivelona ary karazan-trondro maro samihafa toy ny poisson-clowns, moray (murène), carangue, barracuda, thazard, ary raie pastenague misy teboka manga. Ity fahasamihafana lehibe ity no manatsara sy mamirapiratra kokoa ny rano manga mivaivay ao amin’ity toerana voajanahary ity[5].
Ankoatra izany, dia hita ao ihany koa ny sokatra maitso(tortue verte) sy ny sokatra imbriquée na sokatra misy akorandriaka (sokatra anaty rano misy “écailles”), izay isan’ny manintona ny mpitsidika.
Ao amin’ny nosy dia misy ihany koa ny tanalahy pantera lahy (caméléon panthère mâle) izay manana endrika tokana sy tsy mitovy amin’ireo hita amin’ny tany lehibe na amin’ireo nosy hafa. Ny tanalahy pantera lahy ao Nosy Tanikely dia manana tady manga sy turquoise, loha mamirapiratra, ary ny vatany dia rakotra tady mena manjelanjelatra. Raha sanatria ka reraka, na mijaly noho ny adin-tsaina, na tratran’ny hafanana be avy amin’ny masoandro izy ireo, dia miova ho mavo-mena manjelanjelatra ny anisan’ny faritra turquoise amin’ny vatany[1].
Asa tsy ara-dalàna ao amin’ny valan-javaboary
[hanova | hanova ny fango]Eo anelanelan’ny volana janoary sy mey, ary koa novambra sy desambra, dia hita eny amin’ny tora-pasika ao amin’ity Valan-javaboary an-dranomasina ity ny dian’ireo karazana biby sy ny lavaka fipetrahany. Amin’ny ankapobeny, ny sokatra femela iray dia mety mametraka hatramin’ny atody 190 isa. Ireo atody ireo dia mivoaka (miforona sokatra kely) eo ho eo amin’ny 90 andro, ary manana tahan’ny fahombiazan’ny fivoahana 95%[7].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 Forme locale Nosy Tanikely – Madcham.de
- ↑ Parc National Marin de Nosy Tanikely: un joyau malgache à Nosy-Be
- ↑ & Weather Averages in Nosy Be, Madagascar
- ↑ Guide officiel des destinations de Madagascar- Nosy Tanihely. Novangiana tamin'ny 2025-08-19
- 1 2 Guide officiel des destinations de Madagascar- Nosy Tanihely. Novangiana tamin'ny 2025-08-19
- ↑ Le parc marin de Nosy Tanikely. Novangiana tamin'ny 2025-08-19
- ↑ Nosy Tanikely. Novangiana tamin'ny 2025-08-19