Valan-dra

Ny valan-dra na disenteria dia areti-mihanaka mahery vaika mahavoa ny tsinaibe ao amin' ny olombelona sy ny biby, izay miseho amin' ny alalan' ny piriritra mahery vaika misy ra sy tsiloly. Ity aretina ity dia miavaka amin' ny piriritra mahazatra noho ny sotritr' aretina: ny tazo sy ny fanaintainan' ny kibo, ny zihinofo mampanaintaina mahazo ny tsinay ary ny fahatsapana tsy fahampian' ny famoahana diky. Mety hahitana tsy fahampian-drano betsaka amin' ny vatana raha mitranga ny fahasarotana.
Matetika ny bakteria ao amin' ny vondron-karazana Shigella mahatonga ny disanteria, ka raha izany no mitranga dia atao hoe sizelôzy ilay aretina. Mety ho avy amin' ny amiba Entamoeba histolytica koa, ka antsoina hoe amibiazy ilay aretina. Ny antony hafa dia mety ho zavatra simika sasany, bakteria hafa, prôtôzôa hafa, na kankana katsentsitra. Mety hiely amin' ny olona maro io aretina io. Ny sakafo sy ny rano voaloton' ny diky noho ny faharatsian' ny fidiovana no zavatra mety miteraka azy. Ny famaivain' ny tsinay, indrindra fa ny tsinaibe, no fisehony matetika.
Raha tsy misy fitsaboana haingana, anisan' izany ny famerenan-drano sy ny antibiôtika, dia mety hiteraka fahasarotana lehibe izany na hatramin' ny fahafatesana aza.