Vahy
Fiseho

Ny vahy dia endrika zavamaniry mianika, izay matetika zavamaniry misy nofo-kazo, manana taho malefaka izay mampiasa zavamaniry hafa toy ny hazo sy tohana mitsangana hafa, mba hiakarany eny amin' ny tampona izay mahazo tara-masoandro tsara kokoa. Ny vahy dia iray amin' ny endrika biôlôjika marindrano ao amin' ny fanasokajian' i Raunkier.
Ny teny hoe vahy dia tsy manondro vondrona taksônômika, fa ny fomba fitomboan' ny zavamaniry - toy ny hoe hazo na hazobotry na kirihitra.
Ohatra
[hanova | hanova ny fango]








Indreto misy zavamaniry vahy maniry eto Madagasikara:
- Abrus precatorius L. (Fabaceae) -- kelimiefitra, masokoaky, masonamboangara, masonamboatora, masonombilahy, vahimboamena, voamahatorana, voamaintilany, voamaintorana, voamantorana, voamasotrandraka, voamatorana, voamboanamainty, voamboanamena, voamena
- Ampelocissus elephantina (Vitaceae) -- vahilombo, valombona, voalobokala, voalombo, voantsikitsika
- Aristolochia acuminata (Aristolochiaceae) -- arova, fonetoangana, horovy, kita, rovy, sovy, titonganalika, totongana, tovimpatrana, voatotongana
- Artabotrys madagascariensis Miq. (Annonaceae) -- vahimety, vahimoty, voavahy
- Cissampelos pareira L. (Menispermaceae) -- bohivory, boriravina, hamafana, kililovavy, orovy, pamafana, vahemboatavo, vahenosy, vahifotsy, vahilenta, vahivoraka, vahivoriravina, vahivory, voaravina, voaravinaviavy, vohiravina, voriravina
- Cissus quadrangularis L. (Vitaceae) -- kitohitohy, tohitohy
- Cryptostegia madagascariensis Bojer ex Decne. (Apocynaceae) -- lombiro, lombiry
- Cynanchum ampanihense Decne. (Apocynaceae) -- ranga
- Cyphostemma laza (Baker) Desc. ex Wild & R.B.Drumm. (Vitaceae) -- laza, mangeboky
- Dolichos fangitsa Baker (Fabaceae) -- fangitsa, fangitsy
- Entada chrysostachys (Benth.) Drake (Fabaceae) -- fano, fany, sikidy, voampano, volatsara
- Flagellaria indica L. (Flagellariaceae) -- hisabiko, hovavy, tsontsoraka, vahevika, vahimpika, vahipika, vahipitra, velopoko, vika, viko, viky, voambahipika, voapika, volipoko
- Gouania laxiflora Tul. (Rhamnaceae) -- vahifoty
- Landolphia myrtifolia (Desf.) Pichon (Apocynaceae) -- belapoa, ditivahy, fingibary, fingitra, fingitrengitra, fingizahana, piravahy, vahearavindrotra, vahihena, voahenamamavo
- Metaporana parvifolia (Baker) Verdc. (Convolvulaceae) -- kililo, kililolahy, kironjy, vahikililo
- Pentopetia androsaemifolia Decne. (Apocynaceae) -- tandrokampora, tandrokosivavy, tandrokosy
- Salacia madagascariensis (Lam.) DC. (Celastraceae) -- masandroa, rehe, voamasandroa voamasoandro, voantsimatra, voatsimatra, voavonomby, vonomby
- Smilax anceps na Smilax kraussian (Smilacaceae) -- avaotra, avetro, aviotra, avoatra, fandrikibodisy, havaotra, roidambo
- Stephanotis floribunda Brongn. (Apocynaceae) -- belataky, bokabe
- Strongylodon madagascariensis Baker (Fabaceae) -- vahimaitsiamboditsimo
- Thunbergia leucorhiza Benoist (Acanthaceae) -- vahimavana
- Uncaria africana G.Don (Rubiaceae) -- roihavotra
- Vanilla madagascariensis Rolfe (Orchidaceae)
- Vitis vinifera L. (Vitaceae) -- voaloboka
- Xerosicyos danguyi Humbert (Cucurbitaceae) -- kitsakitsakoba, takisakisaka, tapisaka
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Tsy mifikitra amim-bahy maina.
- Vahy mandady ny hazo.