Vahona

Ny Aloe dia vondron-karazana zavamaniry be ranony, ny vahona, ao amin' ny fianakaviana Aloeaceae, teratany ao Afrika, eto Madagasikara, any amin' ireo nosy Maskarena, any amin' ny Saikinosy Arabo ary any Socotra. Ny karazana vahona sasany dia nampidirina tany amin' ny firenena maro. Izy ireo koa dia hita manerana ny Mediteranea, any Amerika Avaratra, any Amerika Atsimo, any Amerika Afovoany, any India, any Azia Atsimo-Atsinanana, ary any Kôrea sy Aostralia koa aza. Any atsimon' i Frantsa, manodidina ny faritra misy mponina, dia ahitanao indrindra ny Aloe arborescens sy ny Aloe maculata.
Ny vahona eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]
Indreto ny karazana vahona misy eto Madagaskara araka ny hita ao amin' ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy[1].
Ny karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Anarana ara-tsiansa | Anarana amin' ny teny malagasy |
Aloe acutissima | kisahondra |
Aloe antandroi | tsikivahombaho |
Aloe betsileensis | kisahondra |
Aloe capitata | kisahondia, kisahondra, sahondra |
Aloe deltoideodonta | kisahondra, vahombato, vahongarana |
Aloe divaricata | sahondra, vahomafaitra, vahona, vahondranjo, vahontsohy, vahotsohy, zilazira |
Aloe haworthioides var. aurantiaca | sarivahona |
Aloe macroclada | kisaondra, lahim-bahona, vahombe, vahona |
Aloe suzannae | vahona, vahondrano |
Aloe vahontsohy | vahona |
Aloe vaombe | vahombe, vahombey, vahona |
Aloe vaotsanda | vahona, vahotsanda |
Fampiasan' ny Malagasy ny vahona sasany
[hanova | hanova ny fango]
Ny vondrom-bonin' ny vahona dia antsoina hoe sahondra. any amin' ny Merina. Any amin' ny Betsileo, ny anarana hoe vahona dia natokana indrindra ho an' ilay karazana atao hoe Aloe macroclada, fa ny karazana kely maniry eny amin' ny vatolampy dia antsoina hoe kisahondra. Ny Aloe officinalis, izay avy any Afrika amin' ny ankapobeny, dia nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha. Mba hahazoana ny ranony madity miloko manja dia potehina ny ravina izay be nofony ary aetona. Ny singa fanao fanafosy amin' izany dia anisan' ny vondrona antrakinôna. Tany Imerina dia ny Aloe macroclada no nampiasaina. Ny Aloe vaombe sy ny Aloe vahontsohy dia hita any atsimon' ny nosy. Ny Aloe divaricata dia manome ranony manitra mahafinaritra. Ny Aloe vaotsanda sy ny Aloe suzannae dia karazana roa fanao fanafody any atsimo izay lasa tsy fahita firy. I Madagasikara dia afaka manome Aloe officinalis betsaka, izay fantatra fa ampiasaina ho fanafody manamora ny fandefasana ny ranon' afero any amin' ny tsinay sy manafaingana ny fiasan' ny tsinay ka iadiana amin' ny fitohanana ary fanadiovana ny tsinay.
Ny karazana fantatra
[hanova | hanova ny fango]Miisa 600 mahery ny karazana vahona ekena fisiana ao amin' ny vonderon-karazana Aloe. Ny sasany amin' ireo karazana ekena dia:
- Aloe aculeata Pole-Evans
- Aloe africana Mill.
- Aloe albida (Stapf) Reynolds
- Aloe albiflora Guillaumin
- Aloe arborescens Mill.
- Aloe arenicola Reynolds
- Aloe argenticauda Merxm. & Giess
- Aloe bakeri Scott-Elliot
- Aloe ballii Reynolds
- Aloe ballyi Reynolds
- Aloe brevifolia Mill.
- Aloe broomii Schönland
- Aloe buettneri A.Berger
- Aloe camperi Schweinf.
- Aloe capitata Baker
- Aloe comosa Marloth & A.Berger
- Aloe cooperi Baker
- Aloe corallina Verd.
- Aloe dewinteri Giess ex Borman & Hardy
- Aloe erinacea D.S.Hardy
- Aloe excelsa A.Berger
- Aloe ferox Mill.
- Aloe forbesii Balf.f.
- Aloe helenae Danguy
- Aloe hereroensis Engl.
- Aloe inermis Forssk.
- Aloe inyangensis Christian
- Aloe jawiyon S.J.Christie, D.P.Hannon & Oakman ex A.G.Mill.
- Aloe jucunda Reynolds
- Aloe khamiesensis Pillans
- Aloe kilifiensis Christian
- Aloe maculata All.
- Aloe marlothii A.Berger
- Aloe mubendiensis Christian
- Aloe namibensis Giess
- Aloe nyeriensis Christian & I.Verd.
- Aloe pearsonii Schönland
- Aloe peglerae Schönland
- Aloe perfoliata L.
- Aloe perryi Baker
- Aloe petricola Pole-Evans
- Aloe polyphylla Pillans
- Aloe rauhii Reynolds
- Aloe reynoldsii Letty
- Aloe scobinifolia Reynolds & Bally
- Aloe sinkatana Reynolds
- Aloe squarrosa Baker ex Balf.f.
- Aloe striata Haw.
- Aloe succotrina Lam.
- Aloe suzannae Decary
- Aloe thraskii Baker
- Aloe vera (L.) Burm.f.
- Aloe viridiflora Reynolds
- Aloe wildii (Reynolds) Reynolds