Vahitsaramaso
Ny vahitsaramaso dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Zavamaniry ahitra maharitra izy io izay tian' ny olona noho ny voniny mena na fotsy ao anaty fehezana miroborobo amin' ny fahavaratra na, amin' ny karazany sasany, noho ny voany azo atao legioma.
Fanoritsoritana
[hanova | hanova ny fango]Tsy mitovy amin' ny zavamaniry hafa ao amin' ny vondron-karazana Phaseolus izy io, fa zavamaniry mandavan-taona izay manana fakany lasa mibontsina ho vodiny, fa amin' ny toetany mafana ihany. Noho izany antony izany dia matetika izy io no ambolena ho zavamaniry isan-taona. Toetra iray hafa mampiavaka azy amin' ny Phaseolus hafa, mandritra ny fitsimohany, dia mijanona ao anaty tany ny ravin-tsimoka (kôtiledôna).

Izy io dia manana taho mahatratra efatra metatra ny haavony, izay mihorongorona amin' ny tohana ianihany,
Ny raviny, mifandimby, maitso matroka, dia ahitana zanapelana telo miendrika atody misy tendro maranitra.

Ny voniny mindrika lolo, somary lehibe, dia mena (fa misy zana-karazana misy voniny fotsy na roa loko mena sy fotsy). Ny zana-karazany mena dia mahasarika kôlibry. Ireo voninkazo ireo dia mamorona vondrombony lehibe (sampaho) izay mety hahatratra 20 sm ny halavany.

Ny voany dia pepa, izay ny fiverahany tampoka dia manampy amin' ny fanaparitahana ny vihim-boa, izay lehibe (80 hatramin' ny 170 g isaky ny vihy 100) ary miovaova ny lokony arakaraka ny zana-karazany, mety ho mavokely vandabandana, mainty na fotsy. Mila 4 na 5 volana vao mahazo voa masaka, izay mitaky famafazana aloha be, farafahatarany amin' ny fiandohan' ny volana mey.