Vachellia farnesiana

Ny Vachellia farnesiana (na Acacia farnesiana teo aloha) dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Mimosaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, zana-pianakaviana Mimosoideae, araka ny fanasokajiana filôjenetika. Izy io dia hazobotry teratany any Amerika trôpikaly. Izy io dia zavamaniry manana vondrombony boribory, manitra be, miparitaka any amin' ny faritra mafana. Maro ny anarana iantsiana azy io amin' ny teny malagasy ka anisan' izany ireto: akasia, roy, roivazaha, kasia, na tsorofotra.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Endrika ankapobeny
[hanova | hanova ny fango]
Hazobotry manana haavo mahatratra 8 ka hatramin' ny 10 m ny Vachellia farnesiana. Misy tsilo fotsy lava sy mahitsy ary manana halava 1,5 hatramin' ny 5 sm ny rantsany mirozaroza.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Vondrona zana-pelana sy zafim-pelana ny ravin' ny Vachellia farnesiana, izay misy zana-pelana 2 ka hatramin' ny 8 ary ny zana-pelana tsirairay dia misy zafim-pelana 10 ka hatramin' ny 25 tsiroaroa izay mety manana halava 5 ka hatramin' ny 7 mm eo ho eo sy sakany 1,5 mm. Ahitana fihary kely ny tangozan-dravina 4 ka hatramin' ny 10 sm.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Kely ny vonin' ny Vachellia farnesiana izay mavo mivolombolamena ary tena manitra mamerovero, mivondrona amin' ny vondrombony boribory manana savaivo 12 mm, mitsitokantokana na mamorona sampaho. Manintona bibikely mpamindra vovobony io lokony io. Ahitana voniny sady lahy no vavy marobe ny vondrombony tsirairay, izay tena be lahimbony, izay manampy amin' ny fofona manitra. Ny fofona manitra dia vokatry ny fisian' ny farnesôla, izay ampiasaina amin' ny fanamboarana ranomanitra ary fantatra amin' ny fananany toetra azo atao fanafody. Matetika dia miseho mialoha na miaraka amin' ny ravina ny vony, ka mampitombo ny fahitan' ny biby mpamindra vovobony azy.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Pepa miendrika varingarina, miloko volontany na mainty, manana halava manodidina ny 7 sm ny voan' ny Vachellia farnesiana. Manana halava mahatratra 7 mm ny ny pepa volontany.
Toerana ahitana azy sy tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]Teratany any Amerika trôpikaly ity karazan-javalaniry ity ary naparitaky ny olombelona any amin' ny faritra mafana hafa eran' izao tontolo izao, toy ny firenena maro aty Afrika sy any Aostralia. Fahita any Antilia Frantsay izy io. Tsy mitaky karazana nodon-tany mnokana ity hazobotry ity fa tia toerana azon' ny masoandro ary mahazaka haintany. Any Antilia dia hita ao amin' ny kirihitrala misy tsilo izy io.
Mety ho lasa zavamaniry manafika ny Vachellia farnesiana, ohatra any Nouvelle-Calédonie izay nampidirana azy ho zavamaniry fanao akafom-biby.
Lisitry ny ovan-karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny ovan-karazana araka ny Catalogue of Life (20 Jolay 2017):
- Vachellia farnesiana var. farnesiana
- Vachellia farnesiana var. minuta (M.E.Jones) Seigler & Ebinger
- Vachellia farnesiana var. pinetorum (F.J.Herm.) Seigler & Ebinger
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Fanamboarana ranomantra
[hanova | hanova ny fango]Ambolena any Frantsa atsimo ny Vachellia farnesiana mba hahazoana menakamanitra avy amin' ny voniny izay ampiasaina amin' ny fanamboarana ranomanitra. Manankarena amin' ny farnesôla, izay môlekiola manitra, ity menakamanitra ity.
Sakafon' ny biby fiompy
[hanova | hanova ny fango]Any Aostralia indraindray dia ampiasaina ho sakafon' ny biby fiompy ny ravin' io zavamaniry io. Manome azy ireo loharanom-prôteinina ny pepany maitso.
Haingo sy fefy
[hanova | hanova ny fango]Azo ambolena irery na milahatra maro izy io, nefa ampiasaina amin' ny fanamboarana fefy ihany koa noho ny tsilo eny amin' io zavamaniry io izay manana toetra miaro.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy dia atao fanafody fampitoniana ny sistita (famaivain' ny tatavia) sy tsongofoitra tsy misy piriritra ny rano nandomana ny raviny. Any Karaiba, io zavamaniry io dia tanehina ho fanasana vava sy fanasan-tenda mba hitsaboana ny famaivain' ny vava, ny fery amin' ny vava, ny aretin-tenda ary ny piriritra. Anaovana fesana ny raviny hitsaboana ny aretin-koditra, ny fery ary ny boiboika amin' ny hoditra[1].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Jean-Louis Longuefosse, Plantes médicinales caribéennes, CEE, Orphie, 2016, 268 p., p. 8-9isbn=979-10-298-0100-6