Hankany amin'ny vontoatiny

VAHINY (Tononkalo)

Avy amin'i Wikipedia

Mahagaga

F'eto an-tanindrazako aho, nefa tenin'olon-kafa,

no takiana mba ho haiko vao mahazo anjara asa

hamelomako ankohonana.

Sady izay nitonatonana,

fa ny vary fotsiko aza nosoloiko ireo dipaina

Vao mihevitra ny saiko fa olona miadan-tsaina

sy mba feno voninahitra...nahita angano ianao ry taniko!

Fa ny hira tiako indrindra sy tsaroako ho tena mamiko

dia ny gadona vihiny,

fa tsy'lay anao fahiny...

Mahamenatra ahy 'ty'zaho, nefa aoka habaribariko

izay mba fifaliana ho ahy? Mivarotra ny tanimbariko hividianako fiara...

Angaha tsy efa maramara

fa dia efa tsy hita intsony!

He! Jereo ange itony

Trano vitsy mba naoriko! Raha vao misy iray mitranga

dia rakofako fanitso. Fa ny tafo tanimanga?

Ny vahiny sendra teny

no mitsiriritra ireny...

Aok'izay tsy hotohizana

Sao manjary maha vizana...

Fa manitika ny saiko sady tiako hofantarina

Iza marina

no nanodina ny saiko sy ny foko sy fanahiko

ka dia nahatonga ahy hanitsakitsaka ny ahiko?

RADO

(Dinitra, 8.1-1.71, tak.143).

1.https://www.babelio.com/livres/Andriamanantena-Dinitra/788425