Upupa marginata

Ny Upupa marginata dia karazana vorona misy sangany, anisan' ny fianakaviana Upupidae. Ny Malagasy dia miatso azy hoe barao, drao, takadalana, takidara, takodara, tsakodara ary tsikodara. Io no karazana misy eto Madagasikara.
Taloha dia noheverina ho zana-karazan' ny Upupa epops (Upupa epops marginata) izy io, saingy natokana no karazana hafa noho ny feony sy ny fahasamihafan' ny volony. Mbola mihevitra ny karazana telo rehetra ao amin' ny Upupa ho mitovy ny manam-pahaizana sasany. Misy koa manam-pahaizana ihany izay mamondrona ho karazana iray ny takodara afrikana sy ny takodarambazaha (eoraziana), nefa nanasaraka ny takodara malagasy.
Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ao amin' ny ala maina, izay toeram-ponenany voajanahary, ity vorona ity. Vorona mbola betsaka izy io ary heverin' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fiarovana ny Zavaboary ho tsy dia mampanahy loatra ny fiarovana azy.

Ny takodarambazaha dia mipetraka any amin' ny faritra manana tioetany antonony sy mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Upupa
- Upupa epops (takodara eoraziana)
- Upupa africana (takodara afrikana)
- Upupa antaios (takodaran' i Sainte Helena)
- Lisitry ny anaram-borona amin' ny teny malagasy
- Lisitry ny karazam-borona eto Madagasikara