Hankany amin'ny vontoatiny

Upupa epops

Avy amin'i Wikipedia
Upupa epops

Ny Upupa epops dia karazana takodara, vorona misy sanga, ao amin' ny fianakaviana Upupidae. Ny karazany roa hafa dia ny Upupa africana (takodara afrikana) sy ny Upupa marginata (takodara malagasy), dia noheverina hatry ny ela fa zana-karazan' ny Upupa epops. Apetraky ny mpanoratra sasantsasany ao amin' ny filaharana manokana, Upupiformae, ireo karazana ireo.

Faritra misy azy

[hanova | hanova ny fango]
Fitsinjaràn' ny faritra misy ny takodara: Maitso antitra: faritra onenan' ny Upupa epops maharitra, volomboasary: faritra fanamboarany ny tranony, manga: faritra andaniany ny ririnina. Maitso: faritra misy ny Upupa africana. Maitso matroka: faritra misy ny Upupa marginata.

Ny Upupa epops dia mipetraka any amin' ny faritra manana toetany antonony sy toetany mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa. Amin' ny ankapobeny dia mifindra any Afrika trôpikaly ny Upupa epops amin' ny fizaran-taona ratsin' ny ila-bolantany avaratra. Tsy fahita firy ary tsy nahy ny fitoerany mandritra ny ririnina any Frantsa; ny tranga tsy fahita firy voalaza dia mety mahakasika ny vorona maratra na malemy.

Any Frantsa, aloha ny fahatongavany, hita amin' ny faran' ny volana Febroary any atsimo, amin' ny Marsa na Avrily any amin' ny faritra avaratra kokoa. Miala amin' ireo laharam-pehintany ireo izy raha vao vita ny akany, amin' ny volana Aogositra ary mahalana kokoa amin' ny Septambra.

Zana-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny zana-karazan' ny Upupa epops:

  • Upupa epops epops Linnaeus, 1758
  • Upupa epops saturata Lönnberg, 1909
  • Upupa epops ceylonensis Reichenbach, 1853
  • Upupa epops longirostris Jerdon, 1862
  • Upupa epops major C.L. Brehm, 1855
  • Upupa epops senegalensis Swainson, 1837
  • Upupa epops waibeli Reichenow, 1913
  • Upupa epops africana Bechtein, 1811
  • Ny Upupa marginata dia noheverina ho zanakarazany koa (Upupa epops marginata) talohan' ny nametrahana azy ho karazana mahaleo tena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]