Hankany amin'ny vontoatiny

Upupa antaios

Avy amin'i Wikipedia
Upupa antaios

Ny Upupa antaios na takodaran' i Sainte Helena dia karazam-borona misy sanga ao amin' ny fianakaviana Upupidae. Tsy fahita afa-tsy any amin' ny nosy Saint Helena ity karazana takodara ity.

I Saint Helena dia nosy britanika any amin' ny tapany atsimo amin' ny Ranomasimbe Atlantika. 1 950 km andrefan' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Afrika, ary 4 000 km any atsinanan' i Rio de Janeiro any Amerika Atsimo no misy azy.

Heverina fa nanjavona ity karazana takodara ity taoriana kelin' ny nahitan' ny Pôrtogey ilay nosy tamin' ny taona 1502. Lehibe lavitra noho ny karazana hafa misy ilay ity karazany iray ity. Miaina an-tanety izy io ary tsy nanidina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]