Uncarina

Ny Uncarina dia vondron-karazan-javamaniry mamony sy roa ravin-tsimoka, mitahiry ranony, ao amin' ny fianakaviana Pedaliaceae sy ao amin' ny filaharana Lamiales, hita eto Madagasikara. Misy amin' izy ireo ny hazo madinika na hazobotry manintsan-dravina. Amin' ny teny malagasy izy ireo dia fantatra amin' ny ankapobeny amin' ny anarana hoe farehitra; misy koa ny anarana hafa isaky ny karazany na amin' ny fitenim-paritra malagasy.
Satria teratany any amin' ny faritra maina na maina amin' ny fizaràn-taona sasany ny ankamaroan' ny zavamaniry ao anatin' io vondron-karazana io, maro ny manjary misy tapany ambany mibontsina sy manangona sy mitahiry rano hiatrehany ny vanim-potoan' ny hain-tany.

Ankoatra ny Uncarina dia maro ny karazana zavamaniry mitahiry rano toy izany izay hita eto Madagasikara sy any ivelany, toy ny Adenium, ny Beaucarnea, ny Dioscorea, ny Euphorbia, ny Gerrardanthus, ny Pachypodium, ny Stephania, sns.
Ny anarany amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny teny malagasy izy ireo dia fantatra amin' ny ankapobeny amin' ny anarana hoe farahaitsa, farehetra, farehetse, farehetsy, farehitra, farehitry, farehitsa, farehitsy, faretra, faretsy, sns. Misy koa ny anarana hafa isaky ny karazany na isaky ny fitenim-paritra malagasy: anakoraky, atsipiretiky, betsilo, fandriboalavo, mamolo, sahoanita, salavaratse, selaniomby, voamanangala, voamangala.
Fampiasan' ny Malagasy azy
[hanova | hanova ny fango]
Ny raviny, ny rantsany tanora, ny atin' ny rantsany be nofo ary ny hodiny, izay samy be sapôninina avokoa, dia ampiasain' ny vehivavy malagasy, potserina miaraka amin' ny rano mba hatao fanasam-bolo sy hanala angadrano. Amidy eny amin' ny tsena an-tanàn-dehibe io zavamaniry io mba hampiasaina araka izany.
Ny Uncarina ihany koa dia ahazoana dity manitra sy mangidy izay atao fanafody hitsaboana ny aretin' ny havokavoka, ary ampiasaina ihany koa amin' ny evoka

Anisan' ny mampiavaka ireo zavamaniry ireo ny voany izay misy tsilo maranitra miendrika lalam-pintana. Heverina ho mampidi-doza izy ireo satria miraikitra mora amin' ny ranjon' izay mandalo mikasika azy ary mety mandratra ny biby. Ity fahafahany miraikitra ity no ampiasana azy hamandrihana biby madinika toy ny voalavo sy ny biby mpikiky hafa, ny ramanavy, ny vorona, sns.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]




Hita eto Madagasikara ny vondron-karazana Uncarina, any amin' ny faritra avaratra, andrefana, afovoany-atsimo ary atsimo, any anaty kirihitra maina sy ala maina. I Otto Stapf. no namorona ity vondron-karazana ity tamin' ny taona 1895. Nasandrany ny fizaràna Harpagophytum, fa ny Uncarina kosa, izay efa nofaritan' i Henri Ernest Baillon tamin' ny taona 1887, dia lasa vondron-karazana vaovao (Uncarina (Baill.) Stapf.). Ny Uncarina grandidieri (Baill.) Stapf. no karazana filamatra.
Indreto ny karazana ao amin' ny Uncarina:
- Uncarina abbreviata (Baill.) Ihlenf. & Straka -- farehetsy, farehitra
- Uncarina ankaranensis Ihlenf. --
- Uncarina decaryi Humbert ex Ihlenf. -- farahaitsa, farehetra, farehitra, farehitsa, faretra, faretsy
- Uncarina grandidieri (Baill.) Ihlenf. & Straka -- farahetsy, farehetse, farehitsa, salavaratse
- Uncarina ihlenfeldtiana Lavranos --
- Uncarina leandrii Humbert -- farehetsy, sahoanita, voamanangala, voamangala
- Uncarina leandrii var. leandrii Humbert
- Uncarina leandrii var. rechbergeri Lavranos
- Uncarina leptocarpa (Decne.) Ihlenf. & Straka -- farahetsy, farehetsikely, farehitra
- Uncarina peltata (Baker) Stapf -- anakoraky, atsipiretiky, betsilo, selaniomby
- Uncarina perrieri Humbert -- fandrimboalavo, mamolo
- Uncarina platycarpa Lavranos --
- Uncarina roeoesliana Rauh --
- Uncarina sakalava Humbert --
- Uncarina stellulifera Humbert -- farehetsy
- Uncarina turicana Lavranos --
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Harpagophytum (fianakaviana Pedaliaceae, filaharana Lamiales)
- Adenium (fianakaviana Apocynaceae, filaharana Gentianales)
- Beaucarnea (fianakaviana Asparagaceae, filaharana Asparagales)
- Dioscorea (fianakaviana Dioscoraceae, filaharana Dioscoreales)
- Euphorbia (fianakaviana Euphorbiaceae, filaharana Malpighiales)
- Gerrardanthus (fianakaviana Cucurbitaceae, filaharana Cucurbitales)
- Pachypodium (fianakaviana Apocynaceae, filaharana Gentianales)
- Stephania (fianakaviana Menispermaceae, filaharana Ranunculales)