Aller au contenu

Typha

Avy amin'i Wikipedia
Typha latifolia

Ny Typha dia vondron-karazan-javamaniry tokan-dravin-tsimoka, fahita amin' ny sisin' ny rano milamina, amin' ny hady, amin' ny farihy, amin' ny heniheny ary amin' ny ankapobeny amin' ny toerana mando. Misy karazana miisa 30 izy io. Izy ireo dia mamorona andiany matevina. Ny Typha dia iray amin' ny vondron-karazana roa na telo ao amin' ny fianakaviana Typhaceae.

Mitsinjara amin' ny toerana midadasika any amin' ny faritra manana toetany antonony sy mafana izy ireo. Ny karazana miely be indrindra dia Typha latifolia izay hita any amin' ny faritra manana toetany antonony any amin' ny ila-bolantany avaratra. Miely be koa ny vondrona (Typha angustifolia) na dia tsy miitatra be any avaratra aza. Hita any atsimo ny Typha dongensis, avy any Etazonia ka hatrany Amerika Atsimo. Hita any Nouvelle-Calédonie koa izy io. Voafetra any Azia sy amin' ny faritra vitsivitsy any Eorôpa Atsimo ny Typha laxmannii sy ny Typha minima ary ny Typha shuttleworthii. Hita eo amoron' ny ony Sénégal (eo anelanelan' i Maoritania sy Senegaly) ny Typha domingensis koa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]