Hankany amin'ny vontoatiny

Turnicidae

Avy amin'i Wikipedia
Turnix sylvaticus

Ny Turnicidae dia fianakaviam-borona mpandehandeha an-tany, ao amin' ny lamina Charadriiformes. Na dia eo aza ny fifanahafana dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin' ny papelika sy ny mpiray foko aminy ao amin' ny Coturnicini (izay ao amin' ny filaharana Galliformes) ny Turnicidae, indrindra fa ireo karazana kely toy ny Synoicus chinensis (Galliformes). Misy karazana 18 mitsinjara amin' ny vondron-karazana roa, ka ny ankamaroan' ny karazana dia ao amin' ny vondron-karazana Turnix ary ny karazana tokana ao amin' ny vondron-karazana Ortyxelos.

Faritra eto amin' izao tontolo izao ahitana ny Turnicidae

Monina amin' ny kijana trôpikaly mafana any Azia, aty Afrika, any Eorôpa, any Aostralia ary any Ginea Vaovao izy ireo.

Vorona kely mpihazakazaka fa tsy manidina ny Turnicidae. Tsy araka ny mahazatra amin' ny karazam-borona fa ny vavy no miloko kokoa noho lahy. Raha heverina ho tokam-bady ny Ortyxelos meiffrenii, dia maro vady mifanesy ny vavin' ny Turnix: miara-miasa amin' ny fanamboarana akany ao anaty tany ny lahy sy ny vavy, fa amin' ny ankapobeny dia ny lahy ihany no mikotrika ny atody sy mikarakara ny zanany, fa ny vavy kosa dia afaka miray amin' ny lahy hafa.

Lisitry ny vondron-karazana sy ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Turnix melanogaster
Kibobo (Turnix nigricollis)

Araka ny fanasokajian' ny International Ornithologists' Union (2024) dia misy karazana 18 (anisan' izany ny iray lany tamingana) mitsinjara amin' ny vondron-karazana roa ny Turnicidae:

  • Turnix (Bonnaterre, 1791) (karazana 17, anisan' izany ny iray lany tamingana)
    • Turnix castanotus (Gould, 1840)
    • Turnix everetti (Hartert, EJO, 1898)
    • Turnix hottentottus (Temminck, 1815)
    • Turnix maculosus (Temminck, 1815)
    • Turnix melanogaster (Gould, 1837)
    • Turnix nanus (Sundevall, 1850)
    • Turnix nigricollis (Gmelin, JF, 1789) – kibobo
    • Turnix novaecaledoniae (Ogilvie-Grant, 1889)
    • Turnix ocellatus (Scopoli, 1786)
    • Turnix olivii (Robinson, 1900)
    • Turnix pyrrhothorax (Gould, 1841)
    • Turnix suscitator (Gmelin, JF, 1789)
    • Turnix sylvaticus (Desfontaines, 1789)
    • Turnix tanki (Blyth, 1843)
    • Turnix varius (Latham, 1801)
    • Turnix velox (Gould, 1841)
    • Turnix worcesteri (McGregor, 1904)
  • Ortyxelos meiffrenii
    Ortyxelos (Vieillot, 1825) (karazana tokana)
    • Ortyxelos meiffrenii (Vieillot, 1819).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]