Tsy fivavahana
Fiseho
Ny tsy fivavahana dia fiheverana filôzôfika izay mandà ny finoana na fanao ara-pivavahana, izay tsy ahitana fanompoana ara-pivavahana. Amin' ny fisehony, io teny io manana heviny isan-karazany: tsy finoana an' Andriamanitra (ateisma), tsy fahafantarana ny fisiana na ny tsy fisian' Andrialanitra (agnôstisma), finoana ny fisian' Andriamanitra nefa tsy fiankinana aminy (deisma), fisalasalana ny amin' ny fisian' Andriamanitra (skeptisisma), fisainana malalaka (en), ny fianteherana alin' ny saina (rasiônalisma) eny fa na dia ny teisma filôzôfika koa aza. Amin' ny fanaovana antontan' isa, io hevitra io dia adika tsotra fotsiny amin' ny teny hoe "tsy manana fivavahana" rehefa apetraka amin' ny olona ny fanontaniana.