Hankany amin'ny vontoatiny

Tsindrahaka

Avy amin'i Wikipedia
Lethocerus americanus

Ny tsindrahaka dia bibikely isan-karazany izay mamorona ny fianakaviana Belostomatidae, dia bibikely anisan' ny Hemiptera miaina anaty rano. Hita any amin' ny kôntinanta rehetra izy ireo afa-tsy ny Antarktika. Ny Belostomatidae dia manana ny manpiavaka azy, izay ohatra mahazatra amin' ny fikarakarana ataon' ny ray, ataon' ny ankamaroan' ny karazana 125 miaina an-dranomamy. Ny lehibe indrindra dia mpikambana ao amin' ny vondron-karazana Lethocerus, izay mety mihoatra ny 12 sm ary saika mahatratra ny halavan' ny sasany amin' ny borera lehibe indrindra eran-tany.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manambaka lahy tahaka ny tsindrahaka: ka ny lahy indray no mibaby anaka.
  • Mahia tsy marary hoatry ny tsindrahaka an-tatatra.
  • Tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy; tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary.