Tsiboboka

Ny tsiboboka dia dingan' ny tsingerim-piainan' ny amphibiana (sahona, saobakaka, salamandra, sns) mbola kely sy tsy mbola niofo, izay miaina any anaty rano, sady mora fantarina amin' ny lohany izay mikambana tsy miavaka amin' ny vatany. Rehefa mivoaka avy ao amin' ny atody ny tsiboboka dia miaina amin' ny alalan' ny sagoaga anatiny na ivelany; tsy mbola manan-tongotra izy fa manana rambo entiny milomano.
M/iovaova arakaraka ny karazana ny loko sy ny habe ary ny soritsoritra mandravaka ny vatan' ny tsiboboka. Matetika izy ireo dia miloko manja mainty ka hatramin' ny mainty, indraindray misy pentina mazava na pentina mivolom-bolamena.
Tena mora andairan' ny fandotoana sasany (anisan' izany ny nitrata, izay mety hamono azy ireo amin' ny fatra hita any amin' ny sahalempona fambolena sasany) ny amfibiana anaty atody na efa tsiboboka.
Miaina anaty rano ny ankamaroan' ny tsiboboka, na dia misy karazana amfibiana sasany izay manana tsiboboka miaina an-tanety. Manana endrika mitovy amin' ny trondro, izay mety tsy ho hita amin' ny amfibiana efa lehibe, ny tsiboboka. Rehefa mandalo fiofoana izy ireo dia manomboka miforona ny havokavoka izay ahafahany miaina amin' ny rivotra, ary miova be ny sakafony.
Ny tsibobokan' ny sahona dia mihinana ahitra ny ankamaroany, fa ny tsibobokan' ny salamandra sy ny an' ny Caecilia kosa dia mpihinan-kena.
Ny amfibiana vitsivitsy, toy ny sahona sasany ao amin' ny fianakaviana Brevicipitidae, dia tsy mandalo ny dingan' ny tsiboboka, fa mipoitra avy amin' ny atody sahala amin' ny "sahona kely" amin' ny endrika sahona efa lehibe. Misy karazana hafa indray izay foy ho tsiboboka nefa mitoetra eo ambanin' ny hoditry ny vavy efa lehibe na tehirizina ao anaty kitapo mandra-pahatongan' ny fiofoana.
Noho ny tsy fananany karana mafy dia mety hantenaina fa tsy hisy ny fôsily tsiboboka. Na izany aza dia voatahiry ny soritra biôfilma ary misy tsiboboka fôsily tamin' ny Jorasika Antenatenany izay hita.
Ataon' ny olona sakafo any amin' ny faritra sasany amin' izao tontolo izao ny tsiboboka ary resahina ao amin' ny angano isan-karazany maneran-tany.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Aza lalin-kevitra toy ny tsiboboka : lany ny androa-tokon-tsaina vao hary tongotra aman-tanana.
- Tsiboboka am-body fantsakana : tavy no ilaina ka horakoraka no hita.
- Horakoraka ny an' ny sahona fa ny tsiboboka no tompon' ny rano.
- Tsiboboka sy rano, ka saro-mifanaratsy: raha maloto ny rano, maty ny tsiboboka; raha maty ny tsiboboka, maimbo ny rano.
- Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa.