Tserikamena

Ny tserikamena dia karazam-boronkely ao amin' ny fianakaviana Sturnidae, ao amin' ny filaharana Passeriformes, mifandray akaiky amin' ny vondron-karazana Gracula. Mirefy 23 ka hatramin’ ny 26 sm ny halavany ary 82 ka hatramin' ny 143 g ny lanjany. Acridotheres tristis ny anarany ara-tsiansa. Atao hoe marotaina na maritaina koa izy io nefa ireo anarana ireo dia manondro ny vintsimena (Corythornis madagascariensis) koa.
Toetoetrany
[hanova | hanova ny fango]Ny Acridotheres tristis dia tsy mifidy zavatra hohanina, mihinana indrindra voankazo, voa, olitra ary bibikely. Indraindray izy dia mihinana atody sy zana-borona, trondro, biby mpikiky madinika, biby mandady madinika, hala, kankana ary foza.
Vorona mpanafika
[hanova | hanova ny fango]
Nanomboka tamin' ny taona 2019, ny Acridotheres tristis dia voatanisa ho karazana vahiny manafika ho an' ny Vondrona Eorôpeana. Midika izany fa ity karazana ity dia tsy azo ampidirina, ompiana, amidy, ampiasaina, atakalo, na fanahy iniana avoaka any anaty ala na aiza na aiza ao amin' ny Vondrona Eorôpeana. Voarara ihany koa ny fitazonana an' io karazana io, afa-tsy hatao biby namana hatramin' ny tana 2020 (herintaona taorian' ny nampidirana azy tao amin' ny lisitra eorôpeana).
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Misy zana-karazana roa ny Acridotheres tristis:
- Acridotheres tristis melanosternus (Legge, 1879) ;
- Acridotheres tristis tristis (Linnaeus, 1766).