Tserôky (vahoaka)
Fiseho

Ny Tserôky dia vahoaka amerindiana any Amerika Avaratra izay nonina tany atsinanana sy atsimo-atsinanan' i Etazonia talohan' ny namindrana azy ireo an-keriny tany amin' ny lembalemba Ozark. Amin' ny teny anglisy izy ireo dia atao hoe Cherokee. Tombanan' ny etnôlôjista fa eo amin' ny 5 ka hatramin' ny 7 tapitrisa ny taranaky ny Tserôky ankehitriny. Amin' izao fotoana izao, ny vondrom-piarahamonina lehibe dia ny Cherokee Nation sy ny United Keetoowah Band of Cherokee Indians any Oklahoma ary ny Eastern Band of Cherokee Indians any North Carolina. Hita any Georgia, any Alabama, any Arkansas, any Missouri, ary any Tennessee koa ny Tserôky. Ho an' ny sasany, ny fo ara-panahin' ny firenena rserôky dia ny Keetoowah Nighthawk Society.