Hankany amin'ny vontoatiny

Tropicos

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tropicos dia tetikasan' ny Missouri Botanical Garden, izay angon-drakitra sy tranokala, tany am-boalohany momba ny zavamaniry trôpikaly, indrindraindrindra avy amin' ny Faritra Neôtrôpikaly (Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo), izay niitatra mandrakotra ny planeta manontolo tatỳ aoriana. Ity angon-drakitra ity, izay natomboka tamin' ny taona 1982, dia natao hojerena ao anatiny ihany, dia misokatra ho an' ny besinimaro ary azo anontaniana anyan-davitra.

Ny angon-drakitra dia misy sary sy angon-drakitra momba ny taksinômia ary fitanisana boky misy santionany amin' ny zavamamaniry maherin' ny 4,87 tapitrisa maneho anarana siantifika 1,33 tapitrisa mahery. Ankoatra izany dia misy angona avy amin' ny famoahan-dahatsoratra siantifika maherin' ny 52 600. Azo anontaniana ny angon-drakitra ny anarana siantifika na ny anarana anglisy na espaniola andavanandron' ny zavamaniry tiana ho fantatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]