Hankany amin'ny vontoatiny

Tridax procumbens

Avy amin'i Wikipedia
Angamay (Tridax procumbens)

Ny Tridax procumbens dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Ny maha ahi-dratsy azy no tena ahafantarana azy. Teratany any Amerika trôpikaly izy io, anisan' izany i Meksika, saingy nampidirina tany amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly ary antonony eran-tany. Heverina ho ahidratsy manimba izy io any Etazonia. Atao hoe angamay ity zavamaniry ity amin' ny teny malagasy.

Anarany amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe angamay ny Tridax procumbens amin' ny teny malagasy, nefa antsoina amin' io anarana io koa ny zavamaniry Rhamphicarpa longiflora sy ny aretina angatra.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' angamay

Ahitana vony afovoany mavo sy vony an-tsisiny fotsy na mavo misy kambin-tsikina sady manana nify telo ny vondrombonin' ny angamay. Misy nifinifiny ary matetika miendrika zana-tsipìka ny raviny.

Voan' angamay

Mafy sy rakotra volo henjana ary misy toa volomborona fotsy amin' ny tendrony iray ny voany. Mety hanafika ity zavamaniry ity noho izy mamokatra voany maro, hatramin' ny 1 500 isam-potony, ary azon' ny rivotra entina lavitra ny voany tsirairay. Hita eny an-tsaha, eny amin' ny kijana, eny an-tanimboly, eny amin' ny bozaka, ary eny amoron-dalana any amin' ny faritra mafana ity ahi-dratsy ity.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]
Ravin' ny angamay

Ampiasaina amin' ny fitsaboana ny Tridax procumbens: iadiana amin' ny virosy, antibiôtika, fanasitranana ratra, amonoana bibikely ary mampihena fanaintainana. Mampiasa ny ranon-draviny ny mponina ao amin' ny faritra sasany ao India mba hanasitranana ratra vaovao sy hampitsaharana ny fandehanan-dra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]