Traoka
Fiseho

Ny traoka dia taova miendrika fantsona ao anaty havokavoka, izay mitondra ny rivotra be ôksizenina avy any ivelan' ny vatana mankany amin' ny havokavoka. Ity taova ity dia fahita amin' ny biby manana hazondamosina (Verebrata). Ao amin' ny biby mampinono dia misy traoka lehibe roa na telo miainga ay eo amin' ny traokabe sady mitsofoka mankany amin' ny havokavoka havanana sy havia. Manohy azy ireo ao amin' ny havokavoka ny sampana maro izay miafara amin' ny zana-traoka.