Hankany amin'ny vontoatiny

Torotoroka

Avy amin'i Wikipedia
Torotoroka (Otus madagascariensis)

Ny torotoroka dia vorondolo isan-karazany ao amin' ny fianakaviana Strigidae.

Ny Athene superciliaris dia karazana vorona ao amin' ny fianakaviana Strigidae. Ity karazana ity dia hita any amin' ny faritra iva eto Madagasikara.

Ny Otus rutilus dia karazana ao amin' ny fianakaviana Strigidae. Mipetraka any amin' ny ampahany be amin' ny faritra atsinanana eto Madagasikara io vorona io. Tsy fantatra mazava ny fetran' ny faritra misy azy, satria mifanindry amin' ny an' ny Otus madagascariensis, izay noheverina fa mitovy aminy hatramin' ny ela.

Tsy fahita afa-tsy any amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara ny Otus madagascariensis. Mipetraka any amin' ny ampahany be amin' ny faritra andrefan' i Madagasikara io karazana io, saingy tsy fantatra mazava ny fetran' ny fitsinjaran-toerany, satria mifanindry amin' ny an' ny Otus rutilus, izay noheverina ho mitovy aminy hatramin' ny ela.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]