Hankany amin'ny vontoatiny

Tontolo ambanin' ny tany

Avy amin'i Wikipedia
I Jonô any amin' ny tontolo ambanin' ny tany, sary nataon' i Jan Brueghel zandriny, teo anelanelan' ny taona 1626 sy 1630

Ny tontolo ambanin' ny tany, fantatra ihany koa amin' ny hoe fiaina-tsy hita, an-koatra, dia tontolon' ny maty araka ny fedràm-pivavahana isan-karazany, izay any ambanin' ny tontolon' ny velona. Ktôniana na ktônika na telorika no teny mpamaritra teknika ampiasaina hilazana ny zavatra any amin' ny tontolo ambanin' ny tany.

Saika hita any amin' ny sivilizasiôna rehetra ny fiheverana ny fisian' ny tontolo ambanin' ny tany ary mety ho efa ninoana hatramin' ny nampisy ny olombelona izany. Zavatra mahazatra ao amin' ny fedrà momba ny tontolo ambanin' ny tany ny fitantarana olona mbola velona midina any amin' io tontolo io, matetika noho ny tanjona mitaky herim-po. Ny fedrà hafa dia manamafy ny lovantsofina izay milaza fa ny fidiran' ny fanahy any amin' ny tontolo ambanin' ny tany (en) dia mitaky fanaovana fombafomba hentitra, toy ny hita amin' ny fitantarana grika fahiny momba ny fanahin' i Patrôklôsy izay maty vao haingana ka nanenjika an' i Akileosy mandra-pahavitan' ny fandevenana ny vatany araka ny tokony ho izy. Notafiana sy nampitondraina fitaovana ny olona manana sata ara-piarahamonina ambony mba hahafahany hivezivezena tsara any amin' ny tontolo ambanin' ny tany.

Misy fedrà maro mampiditra ny fiheverana ny fanahin' ny maty izay manao ny diany manokana mankany amin' ny tontolo ambanin' ny tany, ary ny maty amin' izany dia mila entina mamakivaky sakana mamaritra toy ny farihy na renirano mba hahatongavana amin' io toerana io. Ny sary maneho ny fandehana lavitra toy izany dia hita amin' ny zavakanto fahiny sy ankehitriny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]