Aller au contenu

Tontolo Sinoa

Avy amin'i Wikipedia
Tontolo Sinoa na Sinôsfera

Ny Tontolo Sinoa na Sinôsfera dia mahafaoka firenena maro any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo-Atsinanana izay nandray ny kolontsaina sinoa teo amin' ny tantara. Ahitana an' i Sina Lehibe, i Japôna, i Kôrea ary i Vietnamy ny Tontolo Sinoa. Ny famaritana hafa dia mety hahitana ny faritr' i Môngôlia sy ny an' i Singaporo ankehitriny, noho ny fitaomana sinoa teo amin' ny tantara na ny fitaoman' ny Sinoa any ampitan-dranomasina ankehitriny. Tsy mitovy amin' ny tontolo miteny sinoa, izay manondro faritra ampiasana ny fiteny sinoa, ny Tontolo Sinoa.

I Sina Imperialy dia fahefana lehibe tao amin' ny faritra nisy azy tany Azia Atsinanana ary nanitatra ny kolontsainy sy ny heriny tamin' ny fanjakana maro mpifanolo-bodirindrina aminy sy tamin' ny firenena manodidina, anisan' izany i Japana sy i Kôrea, ary i Vietnamy. Izany fifaneraserana izany dia nisy fiantraikany arak' ideôlôjia sy ara-kolontsaina niorina tamin' ny kônfosianisma sy ny bodisma ary ny taôisma. Ireo kolontsaina efatra ireo dia nofehezin' ny emperorany tamin' ny alalan' ny rafitra imperialy mitovy. Ny famoronan-javatra sinoa dia nisy fiantraikany tamin' ny fanavaozana ny kolontsaina hafa teo amin' ny fitantanana, ny filôzôfia, ny siansa ary ny zavakanto. Lasa lingua franca an-tsoratra ho an' ny birôkrasia sy ny fifandraisana ny fiteny sinoa literera, ary ny tarehin-tsoratra sinoa dia lasa kanji any Japana, hanja any Kôrea, ary chữ Hán any Vietnamy.

Tany amin' ny tapany farany amin' ny vanim-potoan' ny tantara klasika dia nihena ny lanjan' ny fiteny sinoa klasika teo amin' ny literatiora satria samy nanana ny fomba fanoratany manokana i Japana sy i Kôrea ary i Vietnamy. Namolavola ny tarehin-tsoratra katakana sy hiragana i Japana, namorona ny hangul i Kôrea, ary i Vietnamy dia nanamboatra ny chữ Nôm (tsy dia ampiasaina intsony ankehitriny fa nosoloan' ny abidy vietnamiana miorina amin' ny abidy latina). Ny literatiora klasika nosoratana tamin' ny tarehin-tsoratra sinoa anefa dia mbola lova manan-danja amin' ny kolontsaina japôney sy kôreana ary vietnamiana. Tamin' ny taonjato faha-21, ny fitaomana arak' ideôlôjia sy ara-kolontsainan' ny taôisma sy ny kônfosianisma ary ny bodisma dia mbola hita ao amin' ny kolontsaina avo sy ny eo amin' ny foto-pampianarana sôsialy.