Ny Vavak'i Azariasa sy ny Tonon-kiran'ireo Zatovolahy telo ao anaty afo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tononkiran’ireo ankizilahy telo)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sary hosodoko maneho ireo zatovolahy telo (ao amin'ny ilany ankavia), natao tamin'ny taona 1550 any ho any.

Ny Vavak'i Azariasa sy ny Tonon-kiran'ireo Zatovolahy telo ao anaty afo dia lahatsoratra ao amin'ny Bokin'i Daniely ao amin'ny Baiboly katolika sy ao amin'ny Baiboly ortodoksa izay tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo sy ao amin'ny Baiboly protestanta. Isan'ireo soratra fanampiny izany. Ao amin'ny Daniely 3.24-90 no ahitana azy ireo. Tsy voasoratra tamin’ny fiteny hebreo na arameana tany amboalohany io lahatsoratra io fa tamin'ny fiteny grika.

Ny anaran'izy ireo[hanova | hanova ny fango]

Ireo zatovolahy telo ireo dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednegao (na Abednego). Anarana babiloniana ireo, araka ny didin'ny mpanjaka izay nampanova ny anaran'izy ireo.

I Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, sary nataon'i Simeon Solomon.

Ny hoe Sadraka (hebreo: שַׁדְרַך / Shaḏraḵ) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Hanania (hebreo: חֲנַנְיָה / Ḥănanyāh), "Be fahasoavana i Yah". Ny hoe Mesaka (hebreo: מֵישַׁ֖ךְ / Mêshaḵ) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Misaela (hebreo: מִישָׁאֵל / Mîšā’êl), "Iza no El?". Ny hoe Abednego (hebreo: עֲבֵ֣דנְג֑וֹ / ‘Ǎḇêḏ-Nəḡō) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Azarià (hebreo: עֲזַרְיָה / Ǎzaryāh), "Nanampy i Yah". Ny hoe Yah dia fanafohezana ny anaran'Andriamanitra hoe Yahweh) ary ny hoe El dia midika hoe "Andriamanitra". Ampahatsiahivina fa ny anarana babilonianan'i Daniela (hebreo: ) dia i Beltesazara (hebreo: בֵּ֣לְטְשַׁאצַּ֗ר / Belteshazzar). Ny anarana hebreo hoe Azaryah no nogasina ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy hoe Azariasa, araka ny fanakarana azy avy amin'ny teny latina (Azarias) sy teny grika (Αζαρίας).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]