Aller au contenu

Tondrom-pampandrosoana ny maha-olona

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny firenena eran-tany maneho ny tondrom-pampandrosoana ny maha-olona, araka ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 2022.

Ny tondrom-pampandrosoana ny maha-olona dia tondro arak' antontanisa mitambatambatra izay mikendry ny hanombanana ny taham-pampandosoana maha olona ao amin' ny firenena manerana izao tontolo izao. Ny tondrom-pampandrosoana ny maha-olona dia nifototra amin' ny fepetra telo tamin' ny voalohany: ny harin-karena faobe isan' olona sy ​​ny fanantenam-pahela velon' ny zaza vao teraka ary ny haavom-panabeazana azon' ny ankizy 17 taona no ho miakatra.

Ny ondrom-pampandrosoana ny maha-olona dia noforonin' ny mpahay toekarena indiana Amartya Sen sy ilay mpahay toekarena pakistaney Mahbub ul Haq. Amin' i Sen sy ny PNUD, ny fampandrosoana, raha ny fanadihadiana farany, dia dingam-piitaran' ny safidin' ny olona fa tsy fampitomboana ny fidiram-bolam-pirenena fotsiny.