Tolon' ny mpianatra malagasy tamin' ny 13 Mey 1972

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tolon'ny mpianatra)

Nivaivay tokoa ny tolon' ny mpianatra malagasy tamin' ny 13 Mey 1972 izay nipoitra avy teny amin' ny Oniversiten' Antananarivo, izay niteraka ny faharavan' ny Repoblika Voalohany notariin' i Philibert Tsiranana.

Fizotran' ilay hetsika[hanova | hanova ny fango]

Niseho tamin' ny alalan' ny fitokonana faobe, izay nataon' ny mpianatra tao amin' ny ambaratonga faharoa niisa 100 000 any ho any manerana an’ i Madagasikara, ilay tolona.

Nifantoka tamin' ny olana telo lehibe ny fitakiana, izay antsoina amin' ny andian-teny hoe "fanagasiana":

  • ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-kolontsaina miaraka amin' i Frantsa;
  • ny fanoloana ny fandaharam-pampianarana izay natao ho an' ny sekoly any Frantsa sy ampianarin' ny mpampianatra frantsay izay tokony hosoloana ny fandaharam-pianarana manasongadina ny fiainana sy ny kolontsaina malagasy ary ampianarin' ny mpampianatra malagasy;
  • ny fampitomboana ny fahafahan' ny tanora sahirana ara-pivelomana mankany amin' ny sekoly ambaratonga faharoa.

Tamin' ny fiandohan' ny volana Mey, ny mpitondra izay avy ao amin' ny Parti Social Démocrate (PSD) dia nanao izay hampitsaharana ny fitokonan' ny mpianatra tamin' ny fomba rehetra. Tamin'ny 13 Mey dia nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana ny Tafika Repoblikana ho an' ny Fiarovana (Force Républicaine de Sécurité – FRS) ka olona eo anelanelan' ny 15 sy 40 no maty ary 150 teo ho eo no naratra. Tamin’ ny 12 sy 13 Mey dia nosamborin' ny fanjakana ny mpitarika an-jatony maro ary nalefa tany Nosy Lava. Nakaton' ny manampahefana ihany koa ny sekoly ary norarana ny fihetsiketsehana.

Tsy nety niravina anefa ny olana ka nandrava ny governemantany tamin' ny 18 Mey i Tsiranana, ary izany no namarana ny Repoblika voalohany. Nanolotra ny fahefana feno tamin' ny Foloalindahy teo ambany fitarihan' ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa i Tsiranana.

Miverina ve ny tantara?[hanova | hanova ny fango]

Ny fitokonana tamin' ny taona 1991 ho fandrodanana ny "Mandan' i Jerikô" dia karazan' ny fiverenan' ny tantara ihany satria anisan' ny nandray anjara lehibe tao amin' ny "Hery Velona" ny mpianatra, indrindra tao amin' ny sampana "Service d'ordre".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy Ivelany[hanova | hanova ny fango]