Eksaody toko faha-5

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Toko faha5 eksaody)

Ny vontoatin' ny Eksaody toko faha-5 dia: "Moizy sy Aarona nihaona voalohany tamin' i Faraona".

Tara-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Araka ny hita ao amin' ny Baiboly dia mizara efatra ny tara-kevitra voizina ao:

Fihaonana voalohany amin'ny Farao[hanova | hanova ny fango]

Voalohany dia miresaka ny "Fihaonana voalohany amin'ny Farao" izay milaza ny nandehanan' i Moizy sy Aarona mba handresy lahatra ny Faraona (na Farao) noho ny tenin' i Tompo ny hamoahana ireo vahoaka Israely nogejaina hiala ao Ejipta , tsy nanaiky izany nefa Farao dia nandefa azy ireo hanohy ny fanompoany. Nolazaina koa anefa fa betsaka izy ireo ka mbola nilainy avokoa.

Baiko nomeny mpampiasa ny vahoaka[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny faharoa kosa izy dia manambara ny "Baiko nomeny mpampiasa ny vahoaka". Voaresaka mazava fa nanomboka teo dia nofaizin' ny Farao ny vahoaka ka naniraka ny mpampiasa ny vahoaka izy mba handefasana azy ireo hitady ny mololo azy irery ka tsy hitady valim-bokatra intsony amin' ny Farao mpanjaka, Noho ny fahatezeran' i Farao dia nasainy ireo mba hahavita tanteraka foana ny asa aman-draharaha tokony ataon' ireo isan' andro na dia tsy ampy aza ny mololo hanaovana izany. Ny mololo moa dia tsy nahitana betsaka ka bozaka no natao nanampiana azy.

Fitarainan'ny mpanoratra Hebrio[hanova | hanova ny fango]

Manaraka izany dia hita ao amin' ny fahatelo ny "Fitarainan' ny mpanoratra Hebrio". Manambara ny Soratra Masina fa tsy nanaiky intsony ny mpanoratra izay isan'ireo vahoaka noho ny sazy lehibe napetrak'i Farao t@ fanaovam-biriky izay tsy ampy mololo kanefa ;nanoloana izany,Farao dia mbola nampitandrina sy namepetra azy ireo mba hanaovany tsara ihany foana ny asany na dia misy aza ny tsy fahampiana.

Menomenon' ny vahoaka sy ny Vavak' i Moizy[hanova | hanova ny fango]

Ny Farany kosa dia miforona amin' ny "Menomenon'ny vahoaka sy ny Vavak'i Moizy". Rehefa hitan'ny mpanoratra fa tsy nety ny nataon' i Farao dia mbola nandeha nitaraina tany ihany izy noho ny biriky tsy handoavana intsony sy noho ny asa tsy maintsy atao, tamin' izany kosa i Moizy dia nanao teny mafy tamin' i Farao farany ny momba ny sazy mety hahitsok' Andriamanitra amin' ny fanjakany. Avy eo nefa naleon' i Moizy nivavaka sy niresaka amin' Andriamanitra amin' ny fiheveran-tena ny hanavotra ireo vahoaka Israely taraiky tao Ejipta.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]