Tokantandroka javaney
Fiseho

Ny tokantandroka javaney dia karazana rinôserôsy na tokantandroka mbola velona, ao amin' ny fianakaviana Rhinocerotidae. Iray amin' ny biby mampinono lehibe atahorana ho lany tamingana indrindra eran-tany izy io. Rhinoceros sondaicus ny anarany ara-tsiansa.
Araka ny vinavina tamin' ny taona 2015, dia eo amin' ny 60 eo ho eo sisa no tavela, any Java, Indônezia, any anaty ala avokoa. Manana tandroka tokana izy. Ny rinôserôsy javaney fantatra farany tany Vietnamy dia voalaza fa novonoin' n' ny mpihaza vietnamiana noho ny tandrony tamin' ny 2011. I Java ihany no misy ny rinôserôsy javaney farany.