Aller au contenu

Tohitra (singa)

Avy amin'i Wikipedia
Tohitra

Ny tohitra dia singa elektrônika na elektrika izay miavaka noho ny fahafahany manohitra ny fikorianan' ny herinaratra. Singa elektrônika mametra ny fikorianan' ny herinaratra ao anaty olik' aratra ny tohitra. Izy io dia ampiasaina amin' ny fifehezana ny zitina sy ny vaikan' ny rianaratra, amin' ny fiarovana ny singa saro-pady ary ny fanapariahana angovo amin' ny endrika hafanana. Ny Ohm (Ω) no venty andrefesana ny habeny ary R no evany.