Hankany amin'ny vontoatiny

Toddalia asiatica

Avy amin'i Wikipedia
Toddalia asiatica

Ny Zanthoxylum asiaticum na Toddalia asiatica dia karazan-javamaniry vahy ao amin' ny fianakaviana Rutaceae (karazana voasary). Raha amin' ny anarana hoe Toddalia asiatica dia io no hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Toddalia, izay nampidirina ao amin' ny vondron-karazana Zanthoxylum ankehitriny.

Ireto ny anarana mety hanondroana azy amin' ny teny malagasy: anakasina, anakatsimba, fanidy, kasimba, roikisimba, roimainty, roindambo, romainty, roy, voanalakely, voanginamboa, voasarikelinala, voasarikelinikalavola, voasarinalika, volotsaka.

Famariparitana ny endrika ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Izy ity dia vahy minofon-kazo maivana, misy tsilo, mianika amin' ny hazo, mahatratra hatramin' ny 10 m ny halavany. Manana ravina maitso manjelatra, mamerovero toy ny voasary makirana, ny voniny maitso mavo, ary voany dia mivolom-boasary mirefy 0.5 sm ny savaivony, manana tsirony toy ny hodi-daoranjy. Aparitaky ny vorona sy ny rajako izay mihinana ny voany ny vihim-boany. Teratany any amin' ny firenena maro aty Afrika sy any Azia izy io. Ohatra amin' izany i Afrika Atsimo, i Kenià, ary i Maorisy.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasain' ny Afrikana maro ho fanafody io zavamaniry io, anisan' izany ny Masay, izay mampiasa azy io hiasiana amin' ny tazomoka sy ny kohaka ary ny gripa. Ny fakany dia iadiana ny plasmôdiôma miteraka tazomoka. Mety hampihena ny isan' ny fotony ao aminy ny fiotazana an' io zava-maniry miadam-paniry io avy any an' ala mba hampiasaina amin' ny fitsaboana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]