Toby fitanan'i Natzweiler-Struthof
Fiseho

Ny Toby fitanan'i Natzweiler-Struthof, fantatra amin'ny anarana hoe KZ Natzweiler raha fintinina, dia toby fitanan'i
Alemaina Nazi nanomboka ny May 1941 ka hatramin'ny Septambra 1944 akaikin'ny tanànan'i Natzweiler (frantsay: Natzwiller) ao amin'ny Alsace voabodo. Tokony ho 55 kilometatra atsimoandrefan'i Strasbourg no nisy azy io, valo kilometatra avy ao amin'ny fiantsonan'i Rothau, eo amin'ny tehezan-tendrombohitra avaratry ny tampon'i Vosges amin'ny haavo 750 ka hatramin'ny 800 metatra eo ho eo.
Ny toby fitanan'i Natzweiler-Struthof dia antsoina hoe toby famaizana sy fiasana an-terivozona ary misy toby kely maro eo amin'ny andaniny roa amin'ny Reniranon'i Rhin.