Hankany amin'ny vontoatiny

Tipôlôjia biblika

Avy amin'i Wikipedia

Ny tipôlôjia biblika na tipôlôjia dia foto-pampianarana ao amin' ny teôlôjia kristiana izay mampifandray ny olona iray na ny zava-mitranga iray ao amin' ny Testamenta Taloha sy ny olona na ny fisehoan-javatra ao amin' ny Testamenta Vaovao.

Voahazava ao amin' ny Testamenta Vaovao ny fampiasana ny tipôlôjia, izany antony izany no anekena azy io hatrany ao amin' ny kristianisma, nefa tsy manilika ny fitsipika hafa momba ny fanakaran-kevitra.

Ampahany amin' ny apôlôjetika kristiana ity fomba fiasan' ny hermeneotikan' ny Baiboly ity. Amaritana izay ambara mialoha ao amin' ny Testamenta Taloha mba ho tanteraka amin' ny fahafenoana ao amin' ny Testamenta Vaovao ny tipôlôjia biblika. Heverina ho "tandindona" (fampisehoana mialoha) ireo fisehoan-javatra sy olona ireo avy eo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]