Hankany amin'ny vontoatiny

Thunbergia alata

Avy amin'i Wikipedia
Thunbergia alata

Ny Thunbergia alata dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Acanthaceae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe horovy, laingomaimbo, na lengomaimbo. Ity zavamaniry maniry mihoatra ny roa taona ity dia teratany ao Afrika Atsinanana. Ampiasaina ho zavamaniry fanao haingo izy io. Zavamaniry manafika izy io ary hita any amin' ny Cerrado any Brezila, any Hawaii, any Aostralia, any Etazonia atsimo, ary any afovoan' i Meksika, izay fantatra amin'ny anarana Ojo de poeta ("masom-pôeta).

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Thunbergia alata

Arakaraka ny toerana aniriany dia mety hahatratra 1,8 ka hatramin' ny 2,4 m ny haavon' ny Thunbergia alata any amin' ny faritra mafana, saingy kely kokoa rehefa ambolena isan-taona. Maniry tsara izy amin' ny toerana mahazo tara-masoandro feno na amin' ny alo-bandana.

Manify sy varingarina ny tahony izay mihodinkodina amin' ny zavatra ataony tohana (mety ho zavamaniry hafa) ary amin' ny ankapobeny dia mahatratra 1,5 ka hatramin' ny 3 m ny halavany. Misy volovolo ireo taho ireo ary somary volomparasy amin' ny karazany sasany.

Mifanohitra tsiroaroa ny ravin' ny Thunbergia alata izay miendrika fo na lelan-jana-tsipika sy manana halava mirefy 4 hatramin' ny 10 sm. Maitso ny lafiny roa amin' ny ravina, malefaka raha tsapaina, ary rakotra volovolo madinika. Mety malama na misy nifinifiny ny sisiny. Lava ny tangozan-dravina, 4 ka hatramin' ny 8 sm, sady manana kambiny manify kely roa toa elatra maitso eo amin' ny fotony.

Thunbergia alata
Vonin' ny Thunbergia alata (nesorina ny iray amin' ny braktea roa)

Mitsitokantokana ny vonin' ny Thunbergia alata izay mipoitra eo am-pototry ny tangozan-dravina sy manana tangozam-bony lava. Eo am-pototry ny vony tsirairay dia misy braktea roa lehibe, maitso, misy volovolo, telozoro, izay mandrakotra ny vondron-dravimbony alohan' ny hisokafany. Miendrika fantsona na lantonoara mivelatra eo amin' ny fotony ny vondrom-pelambony izay mizara ho felany 5 mivelatra sy tsy mitovy. Mirefy 3 ka hatramin' ny 5 sm ny savaivon' ny vony.

Thunbergia alata

Mavo madera na volomboasary ny lokon' ny vonin' ny maniry hoazy, fa misy karazana fotsy na mavokely ny vonin' ny ovan-karazana ambolena sasany. Ny afovoan' ny fantsom-bony dia volomparasy antitra na mainty manopy volomparasy, mifanohi-doko amin' ny manodidina azy toy ny maso.

Voan' ny Thunbergia alata
Voan' ny Thunbergia alata

Kapsiola misy volovolo sy boribory eo am-potony (mirefy 7 hatramin' ny 10 mm eo ho eo ny sakany) ny voan' ny Thunbergia alata. Miitatra mankany tendro maranitra antsoina hoe "vava", manana halava mirefy 10 ka hatramin' ny 16 mm, izay manome azy ny endrika loham-borona na vavan-ganagana ny voa.

Amin' ny fahamatoiny dia misokatra ka mipoaka ny kapsiola mba hanipy ny vihim-boa ao aminy. Boribory na fisaka sy manana savaivo 4 ka hatramin' ny 5 mm ary miloko manja antitra na mainty ny vihim-boa, izay manana voho toa voarary na rakotra bontsibontsina kely.

Indreto ny anarana ahafantarana ny Thunbergia alata:

  • Thunbergia alata Bojer ex Sims
  • Endomelas alata (ex Sims) Raf.
  • Thunbergia albiflora (Hook.) George Gordon
  • Thunbergia aurantiaca Paxton
  • Thunbergia backeri Vilm.
  • Thunbergia doddsii Paxton
  • Thunbergia fryeri Vilm.
  • Thunbergia manganjensis T.Anderson ex Lindau
  • Thunbergia reticulata Hochst. ex Nees

Jerao koa

[hanova | hanova ny fango]