Hankany amin'ny vontoatiny

Theaceae

Avy amin'i Wikipedia
Dite (Camellia sinensis)

Ny Theaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Ericales (na Theales teo aloha). Ahitana karazana 500 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 7 ka hatramin' ny 40 arakaraka ny fanasokajiana iry fianakaviana ity. Hazo sy hazobotry maniry any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly ny karazana ao aminy. Ny fanasokajiana filôjenetika dia nampizara an' io fianakaviana io, izay tsy vondrona mônôfiletika, ary nametraka azy tao anatin' ny flaharana Ericales. Amin' izao fotoana izao, ny karazana ao amin' ny Theaceae amin' ny hevitra mifintin' io teny io dia tsy misy afa-tsy 195 karazana mitsinjara amin' ny vondron-karazana sivy. Ny zavamaniry tao amin' ny fianakaviana Ternstroemiaceae dia tafiditra ao anatin' ny Theaceae; na izany aza, ny fanasokajiana APG III tamin' ny taona 2009 dia mametraka azy ao amin' ny Pentaphylacaceae. Ny ankamaroan' ny karazana fa tsy izy rehetra dia avy any Sina sy Azia Atsinanana.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Vondron-karazana valo no ekena amin' izao fotoana izao:

  • Apterosperma Hung T. Chang
  • Camellia L., tafiditra ao ny Dankia Gagnep., ny Piquetia (Pierre) H.Hallier, ny Thea L., ary ny Yunnanea Hu
  • Franklinia Marshall
  • Gordonia Ellis, tafiditra ao ny Laplacea
  • Polyspora Sweet
  • Pyrenaria Blume, tafiditra ao ny Dubardella H.J.Lam, ny Glyptocarpa Hu, ny Parapyrenaria H.T.Chang, ny Sinopyrenaria Hu, ary ny Tutcheria Dunn
  • Schima Blume
  • Stewartia L., tafiditra ao ny Hartia Dunn

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]